bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Joshua 19
Joshua 19
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 20 →
1
I Simeôna no nahazo ny anjara faharoa tamin’ny loka, dia ny fokon-taranak’i Simeôna, araka ny fianakaviany: ny lovany dia tao afovoan’ny lovan’ny taranak’i Jodà.
2
Ary izao no tao amin’ny lovany: i Bersabe, i Sabea, i Môladà,
3
i Hasersoala, i Balà, i Asema,
4
i Eltôladà, i Betola, i Harmà,
5
i Sikelega, i Bety-Harkabota, i Harsersosa,
6
i Bety-Lebaota, ary i Sarohena: tanàna 13 sy ny zana-bohiny.
7
I Aina, i Bemôna, i Atera, ary i Asàna: tanàna efatra sy ny zana-bohiny,
8
mbamin’ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo, hatrany Baalata-Beera, dia i Ramata atsimo. Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Simeôna, araka ny fianakaviany.
9
Ny anjaran’ny taranak’i Jodà no nangalana ho lovan’ny taranak’i Simeôna, satria ny anjaran’ny taranak’i Jodà dia lehibe loatra ho azy ireo, ka tao afovoan’ny taniny no nahazoan’ny taranak’i Simeôna ny lovany.
10
Ny taranak’i Zabolôna, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahatelo tamin’ny loka, tonga hatrany Sarida ny faritry ny lovany,
11
niakatra niankandrefana mankany Meralà, ny faritra, nipaka tamin’i Dabaseta, nipaka tamin’ny ranon-driaka ao anoloan’i Jekônama.
12
Avy eo Sarida dia niolaka niantsinanana manandrify ny masoandro miposaka hatrany amin’i faritr’i Keseleta-Tabôro, nihatra hatrany Dabereta, ary niakatra hatrany Jafie.
13
Avy eo dia nihazo tamin’i Gata-Hefera sy Takasîna, any atsinanana, manandrify ny masoandro miposaka ary nihatra tamin’i Remôna izay mifanolotra amin’ny Nôà.
14
Dia niolaka ny faritry ny tany mianavaratra mankany Hanatôna, sy nihatra tamin’ny lohasaha Jeftahela.
15
Ny tanàna dia i Kateta, i Naalôla, i Semerona, i Jedalà, sy i Betlehema, tanàna 12 sy ny zana-bohiny.
16
Izany no lovan’ny taranak’i Zabolôna, araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
17
I Isakara no nahazo ny anjara fahefatra tamin’ny loka; dia ny taranak’i Isakara, araka ny fianakaviany.
18
Ka ny faritry ny taniny dia i Jezraela Kasalôta, i Sonema,
19
i Hafaraïma, i Seôna, i Anaharata,
20
i Rabôta, i Kesiôna, i Abesy,
21
i Rameta, i En-Ganima, i En-Haddà, i Bety-Sefesa.
22
Ary ny faritry ny taniny dia nikasika ny tany Tabôra sy Sedesema ary Bety-Samesy, ka tafapaka hatrany Jordany, tanàna 16 sy ny zana-bohiny.
23
Izany no lovan’ny fokon’ny taranak’i Isakara araka ny fianakaviany, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
24
Ny fokon-taranak’i Asera araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahadimy tamin’ny loka.
25
Ny faritry ny taniny dia i Halkata, i Kalì, i Betena, i Aksafa,
26
i Elmeleka, i Amaala sy i Mesaby; ary eo andrefana, dia nipaka tamin’i Karmela sy i Sihôra-Labànata,
27
dia niolaka mankany Bety-Dagôna, nipaka tamin’i Zabolôna sy ny lohasaha Jeftahela eo avaratr’i Bety-Emeka sy i Nahiela ary nihatra tamin’ny tanin’i Kabola, eo ankavia,
28
sy i Abrana, i Rohoba, i Hamôna ary i Kanà, hatrany Sidona lehibe,
29
dia niolaka ny faritry ny tany mankany Ramaha hatrany Tira, tanàna mimanda, ary niolaka ny faritra mankany Hosa, ka nihatra tamin’ny ranomasina, akaikin’ny faritanin’i Akziba,
30
fanampin’izany i Amà, i Afeka, ary i Rohoba; tanàna 22 sy ny zana-bohiny.
31
Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Asera, araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
32
Ny taranak’i Neftalì, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahenina, tamin’ny loka.
33
Ny faritry ny taniny dia hatrany Helefa avy eo amin’ny aoka ao Saananima no nankany Adamy-Nekeba sy Jebnaela ka hatrany Lekoma, dia nihatra tao Jordany.
34
Niolaka niankandrefana any Azanôta-Tabôra ny faritra, ary avy ao dia nihatra tany Hokôkà, nipaka tamin’i Zabolôna eo atsimo, sy tamin’i Asera eo andrefana, ary tamin’i Jodà, teo akaikin’i Jordany, eo atsinanana.
35
Ny tanàna mimanda dia i Asedima, i Sera, i Emata, i Rekata, i Kenereta,
36
i Edemà, i Aramà, i Asora,
37
i Kedesy, i Edraïa, i En-Hasôra,
38
i Jerôna, i Magdalela, i Hôrema, Bet-Anata, ary Bety-Samesy; tanàna 19 sy ny zana-bohiny.
39
Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Neftalì, araka ny fianakaviany, ny tanàna sy ny zana-bohiny.
40
Ny fokon-taranak’i Dana, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahafito tamin’ny loka.
41
Izao no tao anatin’ny faritry ny lovany: i Saraà, i Estaôla, i Hira-Semesy,
42
i Selebima, i Ajalôna, i Jetela,
43
i Elôna, i Temnà, i Akrôna,
44
i Elteke, i Gebetôna, i Balaata,
45
i Jodà Bene-Baràka, i Geta-Remôna,
46
i Mejarkôna, ary i Arekôna, mbamin’ny faritany tandrifin’i Jôpe.
47
Nitatra ho eo ivelan’ny azy ireo ny faritanin’ny taranak’i Dana; fa niakatra niady tamin’i Lesema ny taranak’i Dana, ka nahafaka azy sy namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, ka nahazo azy sy nanorim-ponenana tao, ary niantso azy hoe Dana, rain’izy ireo.
48
Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Dana, araka ny fianakaviany, ny tanàna sy ny zana-bohiny.
49
Nony vitan’izy ireo ny fizaràna ny tany araka ny faritra mamaritra azy avy, dia nomen’ny zanak’i Israely lova, teo afovoan’izy ireo, i Jôsoe, zanak’i Nona.
50
Noho ny didin’i Iaveh dia nomen’izy ireo azy ny tanàna nangatahiny dia i Tamnata-Sare amin’ny tendrombohitr’i Efraima. Naoriny indray ny tanàna, dia nonina tao izy.
51
Ireo no lova nozarain’i Eleazara mpisorona, sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, tamin’ny filokana, tany Silô, teo anatrehan’i Iaveh, teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Izany no nanaperany ny fizaràna ny tany.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24