bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Joshua 6
Joshua 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 7 →
1
Nihidy i Jerikô, ka nirindrina hatraiza hatraiza noho ny amin’ny zanak’i Israely: tsy nisy nivoaka, tsy nisy niditra ny olona.
2
Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Jereo, efa natolotro eo an-tananao i Jerikô, mbamin’ny mpanjakany sy ny olo-maheriny.
3
Koa mandehana manodidina ny tanàna ianareo rehetra, dia ny lehilahy mpiantafika, mandehana ianareo manodidina indray maka ny tanàna, ka henemana ianareo hanao toy izany ihany.
4
Mpisorona fito no hitondra trômpetra fito mafy faneno eo alohan’ny fiara, ary amin’ny andro fahafito ianareo handeha manodidina impito ny tanàna, ary ny mpisorona hitsoka ny trômpetra.
5
Rehefa mitsoka ny trômpetra mafy faneno izy ka renareo ny feon’ny trômpetra, dia hanao akoralava ny vahoaka, ka hirodana ho azy ny mandan’ny tanàna, ary samy hiakatra amin’ny hitsiny avy ny vahoaka.»
6
Dia niantso ny mpisorona i Jôsoe, zanak’i Nona, ka nanao taminy hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena, ka aoka ny mpisorona fito hitondra trômpetra fito mafy faneno eo alohan’ny fiaran’i Iaveh.»
7
Ary hoy izy tamin’ny vahoaka: «Mandrosoa ianareo mandehana manodidina ny tanàna, ary aoka handeha eo alohan’ny fiaran’i Iaveh ny lehilahy mitam-piadiana.»
8
Nony efa niteny tamin’ny vahoaka i Jôsoe, dia nandeha ireo mpisorona fito, nitondra ny trômpetra fito mafy faneno, teo alohan’i Iaveh sy nitsoka trômpetra, ary ny fiaran’ny faneken’i Iaveh dia nandroso teo aoriany.
9
Ny lehilahy àry fiadiana nandeha teo alohan’ny mpisorona nitsoka trômpetra, ary ny vody lalana kosa nanarakaraka ny fiara; teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra.
10
Izao no didy efa nomen’i Jôsoe ny vahoaka: «Aza manakora na miloa-peo, ary aza miloaka teny indraimbava akory ny vavanareo, mandra-pahatongan’ny andro hilazako aminareo hoe: Manakorà. Fa amin’izay vao hanakora ianareo.»
11
Dia nandroso nanodidina ny tanàna ny fiaran’i Iaveh, dia nanodidina azy indray mandeha; ka rehefa izany dia niverina tany an-toby ny olona, dia nandry tao.
12
Ny ampitson’iny, dia nifoha i Jôsoe, ary nitondra ny fiaran’i Iaveh ny mpisorona.
13
Niainga ny mpisorona fito nitondra ny trômpetra fito mafy faneno, teo alohan’ny fiaran’i Iaveh ary nitsoka ny trômpetra. Ny lehilahy àry fiadina nandeha teo alohan’ireo, ary ny vodilalana nanarakaraka ny fiaran’i Iaveh. Teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra.
14
Nandeha nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin’ny andro faharoa, dia niverina tany an-toby; ka henemana izy nanao izany ihany.
15
Tamin’ny andro fahafito vao mangiran-dratsy ny andro dia nifoha izy ireo, ka nandeha manodidina ny tanàna araka ny fanaony, nataony impito; androtr’io ihany no nandehanany impito manodidina ny tanàna.
16
Nony tamin’ny fanimpitony raha nitsoka ny trômpetra ny mpisorona, dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Manakorà, fa efa natolotr’i Iaveh anareo ny tanàna.»
17
«Hatao anatema ho an’i Iaveh ny tanàna, dia izy mbamin’izay rehetra eo aminy; fa i Rahaba janga irery no hovelomina, dia izy sy izay rehetra miaraka aminy ao an-trano, noho izy nanafina ny iraka nirahintsika.
18
Tandremonareo anefa ny amin’ny zavatra natao anatema, fandrao mahatonga ny tobin’i Israely ho anatema ka mampitabataba azy ianareo, raha maka zavatra amin’izay nataonareo anatema.
19
Ny volafotsy amam-bolamena rehetra, mbamin’ny fanaka varahina sy vy, dia hatokana ho an’i Iaveh avokoa, ka hiditra amin’ny rakitr’i Iaveh.»
20
Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka.
21
Nony azo ny tanàna dia natolotra ho anatema tamin’ny lelan-tsabatra avokoa izay rehetra tao amin’ny tanàna, na lahy na vavy, na tanora na antitra, ary na dia hatramin’ny omby aman’ondry sy ny ampondra aza.
22
Ary hoy i Jôsoe tamin’izy roa lahy izay nisafo ny tany: «Midira ao an-tranon’ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy izay rehetra azy, araka ny efa nianiananareo taminy.»
23
Dia niditra ireo zatovo ireo mpisafo tany, ka nentiny nivoaka i Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny anadahiny mbamin’izay rehetra azy; nentiny nivoaka ny olona rehetra amin’ny fianakaviany, dia nataony any ivelan’ny tobin’i Israely.
24
Dia nodoran’ny zanak’i Israely ny tanàna mbamin’izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy amam-bolamena, mbamin’ny fanaka rehetra varahina sy vy, izay napetrany ao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.
25
Novelomin’i Jôsoe i Rahaba janga, sy ny ankohonan-drainy mbamin’izay rehetra azy, ka mitoetra eo amin’i Israely mandraka androany izy, noho izy nanafina ny iraka nirahin’i Jôsoe hisafo an’i Jerikô.
26
Tamin’izany andro izany i Jôsoe nianiana nanao hoe: «Ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izay olona hitsangana hanorina indray ity tanànan’i Jerikô ity; ny lahimatoany no hanefany ny sazin’ny hanorenany ny fotony, ary ny faralahiny no hanefany ny sazin’ny hananganany ny vavahadiny.»
27
Nomban’i Iaveh i Jôsoe, ka niely tamin’ny tany rehetra ny lazany.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
Recommended Reading
Commentary
Joshua Commentaries
→
Devotional
Joshua Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→