bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Joshua 20
Joshua 20
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
1
Niteny tamin’i Jôsoe i Iaveh nanao hoe: «Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao hoe:
2
Anendreo tanàna fialofana ianareo araka izay nandidiako anareo tamin’ny alalan’i Môizy,
3
hahazoan’ny mpanompo mandositra, dia izay nahafaty olona tsy nahy, fa tsy nahalala, ka hatao fialofana ho anareo tsy ho azon’ny mpamaly ra.
4
Handositra amin’ny anankiray amin’ireo tanàna ireo izay namono olona, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanambara ny mahazo azy amin’ny loholon’izany tanàna izany, dia horaisin’ireo ho ao aminy ao an-tanàna izy, ka homeny trano mba hipetrahany eo amin’izy ireo.
5
Raha manenjika azy ny mpamaly ra, dia tsy hatolony ho eo an-tanany ny mpamono, satria tsy fahalalana no nahafatesany ny namany, fa tsy nankahala azy taloha izy.
6
Hitoetra amin’izany tanàna izany izay nahafaty olona, mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana, mandra-pahafatin’izay mpisorona lehibe amin’izany andro izany. Fa amin’izay dia hody ilay nahafaty olona ary hiverina any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ny tanàna nialany nandositra.»
7
Ny natokany dia i Kadesy any Galilea amin’ny tendrombohitr’i Neftalì; i Sikema amin’ny tendrombohitr’i Efraima, ary i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, amin’ny tendrombohitr’i Jodà.
8
Any an-dafin’i Jordany tandrifin’i Jerikô any atsinanana dia ireto no nofidiny: i Bosora, any an’efitra, any amin’ny tany lemaka, an’ny fokon-dRobena; i Ramôta, any Galaada, an’ny fokon’i Gada, ary i Gaolôna, any Basàna, an’ny fokon’i Manase.
9
Ireo no tanàna natokana ho an’ny zanak’i Israely rehetra, sy ny vahiny mitoetra eo aminy, hialofan’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy, alohan’ny hisehoany eo anatrehan’ny fiangonana.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24