bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Matthew 14
Matthew 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
1
Tamin’izany andro izany, dia ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa,
2
ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «I Joany Batista izay; efa nitsangana avy any amin’ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.»
3
Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
4
Satria i Joany nilaza taminy hoe: «Tsy mahazo manambady io ianao.»
5
Nitady hamono azy i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
6
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda.
7
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
8
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: «Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.»
9
Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy nomena azy ihany izany;
10
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
11
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny.
12
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.
13
Nony nandre izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an’efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.
14
Rehefa niala tao an-tsambo Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.
15
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.»
16
Fa hoy i Jesoa taminy: «Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.»
17
Dia hoy ireo taminy: «Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atỳ aminay.»
18
«Ento atỳ amiko izany,» hoy Izy taminy.
19
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
20
Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
21
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
22
Dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambara-pandràvany ny vahoaka;
23
ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
24
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina, fa nanoha rivotra.
25
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
26
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: «Matoatoa io,» sady niantsoantso izy noho ny tahony.
27
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: «Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.»
28
Namaly i Piera nanao hoe: «Raha ianao àry, Tompo, asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.» «Avia» hoy Izy.
29
Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
30
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho.»
31
Niaraka tamin’izay, naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: «Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?»
32
Ary rehefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra.
33
Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.»
34
Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;
35
ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao, dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,
36
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny morontongotr’akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28