bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Matthew 8
Matthew 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 9 →
1
Rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra Izy, dia narahin’ny vahoaka betsaka.
2
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka Azy ka nanao hoe: «Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.»
3
Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: «Mety Aho, madiova ianao.» Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
4
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.»
5
Ary rehefa niditra tao Kafarnaoma Izy, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy.
6
nanao hoe: «Tompo ô marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy.»
7
Hoy i Jesoa taminy: «Ho avy hanasitrana azy Aho.»
8
Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: «Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
9
Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: Andeha ianao, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray: Avia ianao, dia avy izy; ary amin’ny ankiziko: Ataovy izao, dia manao izy.»
10
Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely.
11
Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra,
12
fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»
13
Ary hoy i Jesoa tamin’ilay kapiteny: «Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao.» Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankiziny.
14
Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa, dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo,
15
dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo, ary nitsangana nandroso sakafo ho azy ireo izy.
16
Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy, ka teny indraimbava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary,
17
mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe: «Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika.»
18
Nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy, dia nasainy nampitaina eny an-dafin-drano izy.
19
Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: «Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.»
20
Ary hoy i Jesoa taminy: «Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.»
21
Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe: «Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko»;
22
fa hoy i Jesoa taminy: «Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.»
23
Ary niondrana tamin’ny sambo kely Izy ka narahin’ny mpianany.
24
Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.
25
Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: «Tompoko, vonjeo izahay fa maty.»
26
Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?» Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.
27
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: «Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?»
28
Nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Gerasena Izy, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany.
29
Ary indreo izy niantso hoe: «Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atỳ?»
30
Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra azy teny,
31
ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe: «Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso ho amin’iretsy andian-kisoa iretsy.»
32
Ary hoy Izy taminy: «Mandehana.» Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa; niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano.
33
Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.
34
Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28