bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Matthew 19
Matthew 19
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 20 →
1
Rehefa avy niteny izany i Jesoa dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin’i Jodea, andafin’i Jordany.
2
Vahoaka be dia be no nanaraka Azy, ary nanasitrana ny marary teo Izy.
3
Ary nisy Farisianina nanatona Azy mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony?»
4
Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe:
5
Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?
6
Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.»
7
«Ka nahoana i Môizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?»
8
Dia hoy Izy taminy: «Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy alalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
9
Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa»
10
«Raha izany no toetran’ny lehilahy amin’ny vadiny, hoy ny mpianany taminy, dia aleo tsy manam-bady.»
11
Ary hoy Izy taminy: «Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany.
12
Fa misy eonòka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonòka nataon’ny olona, ary misy eonòka izay nanao ny tenany eonòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray.»
13
Tamin’izay dia nisy zazakely maromaro nentina teo aminy, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
14
Ka hoy i Jesoa taminy: «Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.»
15
Ary rehefa nametra-tanana tamin’ireo Izy, dia nizò-dalana indray.
16
Ary indro nisy olona anankiray nanatona ka nilaza taminy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»
17
Dia hoy Izy namaly azy: «Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.»
18
«Didy inona avy?» hoy izy. Dia hoy i Jesoa: « Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina,
19
manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.»
20
«Hatry ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, hoy ilay tovolahy taminy; ka inona no mbola tsy ampy amiko?»
21
Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
22
Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany.
23
Ary dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: «Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
24
Ary izao koa no lazaiko aminareo: Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’ny lanitra.»
25
Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: «Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?»
26
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
27
Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: «Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?»
28
Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
29
Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
30
Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28