bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Matthew 3
Matthew 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
1
Ary tamin’izany andro izany, dia niseho i Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea
2
nanao hoe: «Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.»
3
Izy no ilay voalazan’i Izaia mpaminany hoe: «Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany.»
4
Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.
5
Ary nankany aminy daholo i Jerosalema sy i Jodea rehetra mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany;
6
ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin’ny ony Jordany.
7
Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: «Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8
Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara,
9
ary aza manao anakampo hoe: ‹Manana an’i Abrahama ho rainay izahay›; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
10
Efa ao am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo.
11
Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano, ho amin’ny fibebahana; fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
12
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»
13
Ary tamin’izany, dia tonga avy tany Galilea i Jesoa ka nanatona an’i Joany teo amoron’i Jordany mba hataony batemy;
14
fa nandà i Joany nanao hoe: «Izaho no tokony hataonao batemy, ka Ianao indray va no mankaty amiko?»
15
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra.» Dia nanaiky izy.
16
Nony vita batemy i Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin’izay. ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.
17
Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28