bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Matthew 16
Matthew 16
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 17 →
1
Ary nanatona Azy ny Farisianina sy ny Sadoseanina haka fanahy Azy, ka nangataka taminy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.
2
Namaly Izy ka nilaza taminy hoe: «Nony hariva ny andro, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra;
3
nony maraina indray: Ho ratsy ny andro, fa somary mena sy manjombona ny lanitra.
4
Koa hainareo ny maminany amin’ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana kosa tsy hainareo. Ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana hafa homena azy afa-tsy ny an’i Jônasy mpaminany ihany.» Dia nilaozany teo ireo, ka lasa Izy.
5
Fa nony efa tafita ny rano izy ireo, dia hadinon’ny mpianatra ny nitondra mofo.
6
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina ianareo.»
7
Dia nieritreritra izy ireo ka nanao anakampo hoe: «Noho isika tsy nitondra mofo izay.»
8
Ary i Jesoa nahalala izany ka nanao hoe: «Ry kely finoana, nahoana ianareo no mihevitra anakampo, noho ianareo tsy mitondra mofo?
9
Moa tsy mbola fantatrareo ihany, sa tsy tsaroanareo fa mofo dimy dia ampy olona dimy arivo, ary mbola firy harona no nangoninareo?
10
Ary mofo fito dia ampy olona efatra arivo, sady mbola firy sobika koa no nangoninareo?
11
Ahoana no tsy ahalalanareo fa tsy ny mofo no nantsoiko tamin’Izaho nilaza taminareo hoe: Tandremo ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina?»
12
Izay vao fantatr’izy ireo fa tsy ny lalivay amin’ny mofo no nasainy notandremana, fa ny fampianaran’ny Farisianina sy ny Sadoseanina.
13
Ary nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa dia nanontany ny mpianany hoe: «Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?»
14
Ary hoy ireo: «Ny sasany manao hoe: Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.»
15
Dia hoy i Jesoa taminy: «Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?»
16
Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: «Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.»
17
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.
18
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
19
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.»
20
Ary tamin’izay, dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no Kristy.
21
Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hampijalin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty rehefa afaka hateloana.
22
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe: «Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!»
23
Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana! manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.»
24
Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.»
25
«Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy,
26
Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
27
Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
28
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’olona avy, amin’ny fanjakany.»
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28