bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Matthew 4
Matthew 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
1
Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa, mba halain’ny devoly fanahy;
2
ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, ka noana nony afaka izany.
3
Dia nanatona ny mpaka fanahy, ka nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, asaovy tonga mofo ireto vato ireto.»
4
Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
5
Tamin’izay dia nitondra azy nankany amin’ny tanàna masina ny devoly ka nametraka Azy teo an-tampon’ny Tempoly,
6
dia nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: ‹Ny Anjeliny no nametrahany Anao, ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› »
7
Fa hoy i Jesoa taminy: «Efa voasoratra koa fa: ‹Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao.› »
8
Dia nentin’ny devoly nankany ambonin’ny tendrombohitra avo dia avo indray izy, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny,
9
ary hoy izy taminy: «Homeko anao izao rehetra izao, raha miankohoka hivavaka amiko Ianao.»
10
Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»
11
Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.
12
Ary nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa izy nankany Galilea;
13
ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy i Neftalì ka nonina tao,
14
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany hoe:
15
«Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalì, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily:
16
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.»
17
Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe: «Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.»
18
Ary raha nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i Andre rahalahiny, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.
19
Dia hoy izy taminy: «Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.»
20
Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy.
21
Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy.
22
Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy.
23
Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
24
Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
25
Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy i Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea, ary avy tany an-dafin’i Jordany no nanaraka Azy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28