bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Matthew 2
Matthew 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 3 →
1
Ary rehefa teraka tao Betlehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema
2
nanao hoe: «Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankatỳ mba hitsaoka Azy.»
3
Raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra,
4
ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: «Aiza no hahaterahan’i Kristy?»
5
Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany:
6
Ary ianao, ry Betlehema tanin’i Jodà, tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanapaka izay hifehy an’i Israely oloko.
7
Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy.
8
Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: «Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy.»
9
Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa.
10
Faly dia faly izy nony nahita ny kintana.
11
ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.
12
Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.
13
Nony lasa ireo, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka nanao hoe: «Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta dia mitoera any, ambara-pilazako aminao indray; fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.»
14
Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta.
15
Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda, mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo voalazan’ny mpaminany hoe: «Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako»
16
Ary nony efa hitan’i Herôda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin’ny tany manodidina, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin’ny Majy.
17
Dia tanteraka tamin’izay ny tenin’i Jeremia mpaminany manao hoe:
18
«Nisy feo re tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradràna mafy: i Rasela nitomany ny zanany, ka tsy azo nampiononina, fa tsy eo intsony ireny.»
19
Rehefa maty i Herôda, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tany Ejipta tamin’ny nofy
20
ka nanao hoe: «Mifohaza ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny ka modia any amin’ny tanin’i Israely, fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely.»
21
Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely.
22
Nony reny anefa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy.
23
Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe: «Fa hatao hoe Nazareanina izy.»
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28