bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Song of Solomon 1
Song of Solomon 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 2 →
1
Tononkira dia tononkira, nataon’i Salômôna.
2
Hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany anie izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;
3
soa ny hanitry ny zava-manitrao, diloilo mamerovero ny anaranao, izany no itiavan’ny zatovo vavy anao.
4
Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!
5
Mainty aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, nefa tsara tarehy. Sahala amin’ny lain’i Sedera, tahaka ny trano lain’i Salômôna.
6
Aza ny hamaintiko no jerena, fa ny hainandro no nampivalomainty ahy: tezitra tamiko ny zanak’i neny; nasainy niandry tanimboaloboka aho, ny tanimboaloboko, ny ahy, tsy mba nandrasako.
7
Lazao ahy, ry malalan’ny foko izay iandrasanao ny ondrinao, izay ampandrianao azy raha mitatao vovona ny andro, mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho, eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny.
8
Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy, mandehana manaraka ny biby fiompinao, dia andraso eny akaikin’ny trano bongon’ny mpiandry ondry, ny zanak’osinao.
9
Amin’ny soavaly vaviko mitarika ny kalesin’i Faraôna no ampitahàko anao, ry malalako.
10
Tsara ny takolakao voahodidin’ireo fehivozona, soa ny vozonao, voahodidin’ireo voahangy maro andalana.
11
Ny hataonay ho anao dia rado volamena mitentim-bolafotsy.
12
Raha teo amin’ny saofàny indrindra iny ny mpanjaka no nandefa ny fofony kosa ny zava-manitro.
13
Ho ahy ny malalako, dia mira eran-kitapo kely, izay miondana eo an-tratrako.
14
Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho, any an-tanimboalobok’i Engadi!
15
Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao! Masom-boromahailala, ny masonao.
16
Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny mahafinaritra ianao. Ny farafarantsika dia farafara zava-maitso.
17
Sedera ny sakamandimbin-tranontsika; sipresy ny peta-drindrintsika.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8