bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Song of Solomon 2
Song of Solomon 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 3 →
1
Izaho, dia narsisa any Arôna, lisy eny an-dohasaha.
2
Toy ny lisy eo afovoan’ny tsilo, ny malalako eo amin’ny zazavavy.
3
Toy ny foto-pôma any afovoan’ny hazo any an’ala, ny malalako eo amin’ny zazalahy. Niriko ny hipetraka eo ambanin’ny alokalony, ary mamy ao am-bavako ny voany.
4
Nampidiriny ao an-tranon-divainy aho, ary fitiavana no faneva atsangany ho ahy.
5
Tohano ampempam-boaloboka aho, hatanjaho amin’ny pôma aho, fa matim-pitia ny foko.
6
Hanondana ahy anie ny tanany havia, ary hanohona ahy ny tanany ankavanana.
7
Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra, noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.
8
Injay ny feon’ny malalako, indrỳ tamy izy, miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra; mitsambikina amin’ny havoana.
9
Manahaka ny gazela ny malalako, sy ny zanaky ny serfa vavy. Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay mijery eo am-baravarankely, mijery eo amin’ny makarakara.
10
Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
11
Fa indro ny ririnina efa lasa; ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.
12
Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany; ny fotoana fihirana efa tonga. Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;
13
efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka, ny voaloboka mamòny efa mamerovero; mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
14
Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin’ny fialofan’ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao».
15
Isambory ny fosa izahay ny fosa madinika izay manimba ny tanimboaloboka; fa efa mamòny ny voalobokay.
16
Ahy ny malalako, ary azy aho; miandry ny ondriny eny amin’ny lisy izy.
17
Alohan’ny hangatsiatsiahan’ny andro, sy hahalasanan’ny aloka, mba miverena... Ry malalako, aoka ianao hanahaka ny gazela na ny zanaky ny serfa vavy eny an-tendrombohitra voatsefatsefaka.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8