bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Song of Solomon 3
Song of Solomon 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 4 →
1
Teo am-pandriako aho, nony alina, nitady ilay malalan’ny fanahiko; nitady azy aho, fa tsy nahita...
2
Ka hoy aho anakampoko: «Andeha hifoha aho hitetitety ny tanàna, ny lalam-be sy ny kianja, hitady ilay malalan’ny foko.» Dia nitady azy aho fa tsy nahita.
3
Tojo ahy ny mpiambina izay misafo ny tanàna: - Mba hitanareo va ilay malalan’ny foko? -
4
Vao tafahoatra an’ireo kely foana aho, dia nahita an’ilay malalan’ny foko. Nohazoniko izy, fa tsy navelako nandeha, mandra-pampiditro azy any an-tranon’i neny, sy any amin’ny efitranon’ilay nahitako masoandro.
5
Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra, noho ny gazela sy ny serfa vavy eny an-tsaha, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.
6
Iza izato miakatra avy any an’efitra, tahaka ny setroka mijoalajoala, manitra mira aman’emboka, mbamin’ny zava-manitra rehetra avy amin’ny mpandranto?
7
Iny eny, ny filanjàn’i Salômôna; otronin-dehilahy mahery enimpolo, avy eo amin’ireo lehilahy maherin’i Israely;
8
samy mitan-tsabatra avokoa, ary zatra ady. Samy eny am-balahany avy, ny sabany, hampisava ny fahatahorana amin’ny alina.
9
Nanao filanjana ho azy i Salômôna mpanjaka, tamin’ny hazo avy any Libàna.
10
Nataony volafotsy ny andriny, volamena ny fiankinana, jaky ny fipetrahana; amborodao ny eo afovoany, asam-pitiavana avy amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema.
11
Mivoaha, ry zanaka vavin’i Siôna, jereo i Salômôna mpanjaka, misatroka ny satroboninahitra, nasatro-dreniny azy amin’ny andro ampakarany vady, amin’ny andro ifalian’ny fony.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8