bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Song of Solomon 8
Song of Solomon 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
1
Endrey naninona re no tsy anadahiko ianao, nitsentsitra ny nonon’ineny? fa raha tojo anao eny ivelany eny aho, dia hanoroka anao, nefa tsy hahazo fanesoana amin’izany.
2
Hitondra anao hiditra ao an-tranon’i neny aho, dia hampianatra ahy ianao; ary hampisotro anao divay voaharo zava-manitra, dia ny ranon’ny ampongabendanitra.
3
Ny tanany ankavia manondana ahy, ary ny ankavanany manohona ahy.
4
Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.
5
Iza ity vehivavy, miakatra avy any an’efitra, mitehina amin’ny malalany? Teo ambanin’ny hazo pôma no namohazako anao, teo no torontoronina anao ireninao. Teo izy no torontoronina anao, tao izy no nampahita masoandro anao.
6
Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh.
7
Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy. Raha misy olona hividy fitiavana na amin’ny fananana rehetra ao an-tranony aza dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.
8
Manan-jandry vavy kely tsy mbola misy nono izahay; ka hataonay ahoana re ity zandry vavinay raha avy izay andro angatahan’ny olona azy?
9
Raha manda izy, dia asianay lohamanda volafotsy; raha varavarana izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.
10
Manda aho, ary toy ny tilikambo ny nonoko; ka dia toy ny efa nahita fihavanana aho eo imasony.
11
Nanan-tanimboaloboka tao Baala Hamôna i Salômôna, napetrany tamin’ny mpiandry voly ny tanimboaloboka. Ary ny solom-bokatra aloa ho azy, dia arivo sikla isan’olona.
12
Ny tanimboaloboka izay ahy kosa, dia anaranako fo: ny arivo sikla no anao anie, ry Salômôna, ary ny roan-jato kosa, an’ny mpiandry ny voany.
13
Eh, ianao izay mitoetra eny amin’ny zaridaina, manongilana sofina hihaino ny feonao ny namana, mba ampandreneso izany aho!
14
Mihazakazaha, ry malalako, manahafa ny gazela na ny zana-tserfa vavy, eny an-tendrombohitry ny hazo mitete dity manitra!
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8