bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Song of Solomon 7
Song of Solomon 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 8 →
1
Miverena, miverena ry Solamita. Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Ahoana ianareo no mijery ny Solamita tahaka ny dihy any Makanaima.
2
Endrey izany hatsaran’ny tongotrao misy kapa, ry zanaka vavin’andriandahy! Ny filefitry ny valahanao tahaka ny rado, asan-tanan’ny mpahay zavatra.
3
Ny foitra dia kôpy kivorivory tsy ilaozan-divay voaisy zava-manitra. Ny kibonao toa varimbazaha mitoby, voahodidina lisy.
4
Ny nononao roa toa zana-tserfavavy roa, zanaka kamban’ny gazela iray.
5
Ny vozonao tahaka ny tilikambo ivoara; ny masonao tahaka ny kamorin’i Hesebona, anilan’ny vavahadin’ity tanàna be mponina. Ny oronao tahaka ny tilikambo any Libàna, izay manatrika ny ilan’i Damasa.
6
Ny lohanao mipetraka eo amboninao tahaka an’i Karmela, ny volon-dohanao tahaka ny jaky mena; voasinton’ny fiolikoliny ny mpanjaka.
7
Soa loatra ity ianao, mahafinaritra ity ianao, ry fitiavako ao anatin’ny fahafinaretana.
8
Ny tsangananao manahaka ny fototr’andrendry, ary ny nononao, no toy ny sampahony.
9
Ka hoy aho: Hananika ny fototr’antrendry aho, dia handray ny sampahony. Aoka ny nononao ho tahaka ny sampahom-boaloboka; ny hanitry ny fofon’ainao, ho toy ny an’ny pôma;
10
ary ny vavanao ho toy ny divay voafantina...! Izay mitsororoka moramora ho an’ny malalako, mitsoriaka eo amin’ny molotry ny matory.
11
An’ny malalako aho, ary atỳ amiko no alehan’ny faniriany.
12
Avia, ry malalako, andeha isika ho any an-tsaha; andeha isika handry any amin’ny vohitra any.
13
Ho any an-tanimboaloboka, vao maraina isika, ka ho hitantsika raha mitsiry ny voaloboka, raha mivelatra ny tsiriny, raha mamòny ny ampongabendanitra; ary homeko anao ny fitiavako.
14
Mamerovero ny hanitry ny mandragora, ary ao am-bavahadintsika avokoa ny voankazo tsara indrindra, na ny vaovao na ny tranainy: notahiriziko ho anao izany, ry malalako.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8