bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Song of Solomon 4
Song of Solomon 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 5 →
1
Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao. Masom-boromahailala ny masonao saronan’ny voalinao; ny volonao toy ny andian’osivavy, miantsampitsampy eny ankisolosolon’ny tendrombohitr’i Galaada.
2
Ny nifinao, toy ny andian’ondrivavy voahety, miakatra avy any amin’ny fampandroana azy, samy manana anaka kambana, ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.
3
Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka ny takolakao, alokalofan’ny voalinao.
4
Tahaka ny tilikambon’i Davida ny vozonao, izay nataony trano fitahirizam-piadiana, ka ihantonan’ampinga arivo, dia ny ampingan’ny mahery rehetra.
5
Tahaka ny zanaky ny gazela ny nononao roa, tahaka ny kambana roa zanaky ny gazela iray, izay mihinana eny amin’ny lisy.
6
Alohan’ny hangatsiatsiahan’ny andro, sy hahalasanan’ny aloka dia ho eny an-tendrombohitry ny mira aho, sy ho eny amin’ny havoan’ny emboka.
7
Fa tsara tarehy indrindra ianao, ry malalako, sady tsy misy panda aminao!
8
Avia, hiaraka amiko, avy any Libàna, ry fofom-badiko, avia hiaraka amiko, avy any Libàna! Topazo maso avy eny an-tampon’i Amàna, avy eny an-tampon’i Sanira sy i Hermôna, avy any amin’ny lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda.
9
Efa lasanao ny foko, ry havako, ry fofom-badiko, efa lasanao ny foko tamin’ny masonao indray mijery monja, tamin’ny singam-boahangy eo amin’ny fehivozonao!
10
Endrey izany hamamin’ny fitiavanao, ry havako voafofo, endrey izany hatsaran’ny fitiavanao mihoatra noho ny divay; ary mihoatra noho ny zava-manitra rehetra, ny fofon’ny hanitrao!
11
Mitete tantely ny molotrao, ry voafofo; ny tantely sy ny ronono dia ao ambany lelanao, ary sahala amin’ny fofon’i Libàna, ny fofon’ny fitafianao.
12
Ny anabaviko voafofo dia tanimboly voahidy, loharano voahidy, fantsakana voaisy tombokase.
13
Ny tsirinao dia alan’ampongabendanitra, misy sipresy sy narda,
14
narda sy safrana, kanela sy sinamôma, mbamin’ny hazo rehetra misy emboka, mira sy aloesy, mbamin’ny hazo rehetra mahavokatra diloilo manitra tsara indrindra.
15
Loharanon’ny zaridaina, fantsakan-drano velona, sakeli-drano mandeha avy any Libàna.
16
Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra, avia ry rivotra avy any atsimo! Mitsofa eo an-tanimboliko, hitetevan’ny hazo mahavokatra dity manitra. Aoka hiditra ao an-tanimboliny ny malalako, ka hihinana amin’ireo voankazony tsara tarehy!
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8