bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Song of Solomon 6
Song of Solomon 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 7 →
1
Lasa nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy? Nitodika nankaiza ny malalanao, hiarahanay aminao hitady azy?
2
Lasa nidina any an-tanimboliny ny malalako, dia any an-kisahasahan-kazo mitete dity manitra, hiandry ondry any an-tanimboliny, sy hioty lisy any.
3
An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako; miandry ny ondriny any amin’ny lisy izy.
4
Ry malala, tsara tarehy tahaka an’i Tirsà ianao; ary mahafinaritra tahaka an’i Jerosalema, fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila.
5
Avilio tsy hijery ahy ny masonao fa mampitebiteby ny foko. Ny volonao tahaka ny andian’osy miantsampitsampy eny ankisolosolon-tendrombohitr’i Galaada.
6
Ny nifinao tahaka ny andian’ondry, miakatra avy any amin’ny fampandroana; samy manana anaka kambana; ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.
7
Ny takolakao tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka alokalofan’ny voalinao.
8
Misy mpanjaka vavy enimpolo, vaditsindrano valopolo, ary zatovo vavy tsy hita isa:
9
fa iray monja no voromahailalako, ahy tsy misy pentina; vavy tokan’ny reniny, zokim-pitian’ilay nahitany masoandro. Ireo zatovo vavy nahita azy, niantso azy hoe: Sambatra; ireo mpanjaka vavy amam-baditsindrano nahita azy dia nidera azy:
10
Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro, fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila?
11
Nidina tany an-tsahan’ny noaie aho hizaha ny ahitra eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka, raha mamòny ny ampongabendanitra.
12
Tsy fantatro, fa nentin’ny fitiavako aho niakatra nitaingina ny kalesin’ny vahoakako be voninahitra.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8