bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Zechariah 10
Zechariah 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
1
Mangataha amin’ny Tompo handefasany ranonoran-dohataona fa Izy no manao ny oram-baratra; dia homeny oram-be mivatravatra ianareo ary samy hataony maitso mavana ny sahanareo
2
Fa zava-poana no tenenin’ny sampy. Ary lainga no hany hitan’ny mpisikidy; tsy misy dikany ny nofy tantarainy, feno fitaka ny fampiononana entiny. Izany no nahavoatery ny vahoaka handeha, ka ory tahaka ny andianondry tsy misy mpiandry.
3
«Ireo vahiny miandry ny vahoakako no irehetan’ny fahatezerako; ireo osilahy no iantefan’ny famaliako. Izaho Tompon’izao rehetra izao kosa efa hamangy ny ondriko, dia ny taranak’i Joda izany. Toy ny soavaly voaravaka hiady izy no hoentiko any amin’ny toeram-piadiana.
4
Avy ao aminy no hipoiran’ny filoha rehetra izay azo antoka toy ny vatofehizoro, matotra toy ny tsatokan-day, ary hentitra toy ny tsipîkan’ady.
5
Ho toy ny mpiady mahery ireo, ka hanitsakitsaka ny mpifanandrina aminy toy ny fotaka eny an-dàlambe. Hiady ireo, satria Izaho Tompo no momba azy; ary dia ho safo-kenatra ny fahavalo mpitaingin-tsoavaly.
6
Hampahery ny taranak’i Joda Aho ary hamonjy ny taranak’i Jôsefa; dia haveriko amin’ny laoniny indray ireo, satria hanehoako famindrampo ka ho toy ny tsy nariako na oviana na oviana. Ary hamaly vavaka azy koa Aho, fa Izaho no Tompo Andriamaniny.
7
Ho toy ny mpiady mahery ireo lehilahin’i Efraîma, ary ho dibo-kafaliana toy ny azon-divay ny fony. Hahita izany ny zanany, ka ho ravoravo; ary noho Izaho Tompo dia hibitaka ny fony.
8
Hiantso ny vahoakako Aho ka hanangona azy, satria efa navotako izy, ka hihamaro toy ny taloha indray.
9
Tahaka ny fanaparitaka voa famafy no nanelezako azy tany amin’ny firenena; fa na dia any lavitra any aza ireo dia hahatsiaro Ahy ihany. Any izy no hiaina miaraka amin-janany, kanefa avy eo dia hiverina indray.
10
Hampodiko avy any Ejipta izy ary hangoniko avy any Asiria, ka hoentiko any Gilehada sy any Libano; saingy na dia ireo toerana ireo aza dia mbola tsy ho omby azy ihany.
11
Hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; Izaho Tompo kosa hively ny onjan-dranomasina sy hahatankina tanteraka ny onin’ny Neily. Dia haetry ny avonavon’i Asiria, ary ho very fahefana i Ejipta.
12
Dia Izaho Tompo no ho herin’ny vahoakako; ary amin’ny anarako no hifampiarahabany. Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany».
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
Recommended Reading
Commentary
Zechariah Commentaries
→
Devotional
Zechariah Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→