bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Zechariah 5
Zechariah 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
1
Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy horonam-boky manidina.
2
Ary nanontanian’ilay anjely aho hoe: –Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: –Mahita horonam-boky manidina aho: folo metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany.
3
Ka hoy izy tamiko: –Izany no ozona miainga hipaka amin’ny tany manontolo. Fa araka ny voasoratra eo amin’ny lafiny iray, ny mpangalatra rehetra dia horoahina hiala amin’ity tany ity; ary amin’ny lafiny hafa kosa, izay rehetra mianiana lainga dia hatao araka izany koa.
4
Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: Izaho no nampiainga izany ozona izany; hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ny mpianiana lainga amin’ny anarako izany, ary hitoetra ao ka handevona ny trano mbamin’ny hazony sy ny vatony.
5
Niseho indray ilay anjely niresaka tamiko ka nanao hoe: –Atopazy ny masonao, ka jereo irỳ mipoitra irỳ?
6
Ary nanontaniako izy hoe: –Inona io? Dia hoy ny navaliny: –Vata famarana mirakitra ny fahadisoana eto amin’ny tany manontolo io.
7
Tamin’izay dia niainga ho azy ny vongam-piraka saron’ilay vata, ary indro hitako nisy vehivavy iray mipetraka ao anatiny.
8
Dia hoy ilay anjely tamiko: –Io vehivavy io no Faharatsiam-panahy. Koa natosiny hiverina tao anaty vata izy ary nakatony ny sarona vongam-piraka.
9
Raha nanopy maso aho, dia indreo hitako nisy vehivavy roa nanidina; ny rivotra no nanampy tosika ny elany, fa nanana elatra toy ny an’ny vano izy. Noraisin’izy roa vavy ilay vata ka nentiny nisidina teny amin’ny habakabaka.
10
Dia nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: –Hoentin’izy ireo aiza moa ity vata?
11
Ka hoy izy tamiko: Any Mezôpôtamia, fa any no hanaovana tempoly ho azy ka hametrahana azy eo ambonin’ny vodivato hitoerany.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14