bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Zechariah 9
Zechariah 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 10 →
1
Hafatry ny TOMPO. Any amin’ny tanin’i Hadràka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an’ny TOMPO na ireo tanànan’i Arama na ny fitambaran’ireo fokon’ny Israely.
2
Azy toraka izany ihany koa i Hamata akaikin’i Damasy ary ny tanànan’i Tiro sy i Tsidôna izay misy olona kinga tokoa.
3
Ary i Tiro nanao manda mafy ho azy; volafotsy matevina tahaka ny vovoka no voaangony ary koa volamena mivongana toy ny fotaka eny an-dalambe.
4
Kanefa halain’ny Tompo aminy ireny, hazerany any an-dranomasina ny màndany ary ho levon’ny afo ny tanàna.
5
Hahita izany ny tanànan’i Askelôna, ka dia ho raiki-tahotra, i Gazà koa ho tora-kovitra, ary i Hekrôna ho very fanantenana. Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gazà, ary tsy hisy mponina intsony ao Askelôna;
6
mponina safiotra no hipetraka ao Asdôda. Ka hoy ny Tompo Andriamanitra hoe: Toy izany no hanafoanako ny fireharehan’ny Filistinina.
7
Hoesoriko eny am-bavany ny hena tsy nalatsa-dra na naterina tamin’ny sampy. Ary ny sisa velona amin’ny vahoakany dia hanana Ahy koa ho Andriamanitra, ka hitovy amin’ny iray tarika ao anatin’ny fokon’i Joda. I Hekrôna koa hiditra ho vahoakako toy ny nataon’ireo Jebôsita.
8
Hiambina manodidina ny taniko Aho mba hiaro azy amin’ireo tafika izay mihaodihaody mandalo; ka tsy hisy intsony hamaky eo hampahory ny vahoakako fa efa hitako ankehitriny ny fahoriany.»
9
Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.
10
Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady Hopotehiny ny tsipîkan’ady ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy. Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray ka hatrany amin’ny ranomasina iray hafa, ary hatreo amin’ny onin’i Eofrata ka hatrany am-paran’ny tany.
11
Dia hoy ny Tompo hoe: «Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna, noho ianareo nanaovako fanekempihavanana izay nohamafisina tamin’ny ran- tsorona, no efa namoahako ny mpigadranao toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.
12
Miverena ao an-tanàna mimanda, ry mpigadra manam-panantenana! Anio no anambaràko aminareo hoe: Fanambinana avo roa heny no hanonerako ny fahorianareo.
13
Hampiasaiko toy ny tsipîkan’ady i Joda, ka i Efraîma no ho tahaka ny zana-tsipîkany. Ry Tsiôna, hotairiko ny vatan-dehilahinao hiady amin’ireo vatan-dehilahy grika; toy ny sabatry ny mpiady mahery no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.»
14
Ary ny Tompo hiseho eo ambonin’ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipîkany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin’ny tafio-drivotra atsimo.
15
Ny Tompon’izao rehetra izao hiaro ny vahoakany; ka havandra vaventy no halefany hamotika sy hanorotoro ny fahavalony; dia hataony mikoriana ny ran’ireo ka hampiely ny ran’ny fahavalony mova tsy tahaka ny divay, na koa tahaka ny ram-biby atao sorona izay mameno ny tsangambava famafazana sy mandrakotra ny zoron’ny alitara.
16
Amin’izany andro izany ny vahoakany dia hovonjen’ny Tompo Andriamaniny, ka toy ny mpiandry mamonjy ny ondriny Izy; ary ho toy ny vaton-tsatroboninahitra no hamirapiratany eo amin’ny taniny.
17
Akory ny fahasambarany! Ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary sy divay vaovao no hampaharoroka finaritra ireo zatovolahy sy zatovovavy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
Recommended Reading
Commentary
Zechariah Commentaries
→
Devotional
Zechariah Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→