bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Zechariah 4
Zechariah 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
1
Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko, ka namoha ahy toy ny famoha olona matory
2
sady nanontany ahy hoe: –Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: –Fitoeran-jiro volamena misy fitahirizan-diloilo eo an-tampony no hitako. Fanaovan-jiro fito no eo amin’izany fitoeran-jiro izany; ary lahin-jiro fito kosa no eo amin’ny fanaovan-jiro tsirairay avy.
3
Misy hazo ôliva roa eo anilan’ilay fitahirizan-diloilo, ka ny anankiray eo an-kavanany, ary ny anankiray eo an-kaviany.
4
Tamin’izay ilay anjely niresaka tamiko dia nanontaniako hoe: –Inona moa no dikan’ireo, Tompoko?
5
Ka hoy izy tamiko: –Tsy fantatrao va ny dikan’ireo? Fa novaliako hoe: –Tsia, Tompoko.
6
Dia nohazavainy tamiko àry Ary niteny tamiko ilay anjely mba hampita izao hafatry ny TOMPO ny amin’i Zerobabela izao: «Tsy amin’ny herin-tafika na amin’ny fahatanjahanao no hahatanterahanao andraikitra fa kosa amin’ny Fanahiko, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.»
7
Sady niteny koa ny Tompo hoe: «Sakana va io tendrombohitra lehibe io? Holemahin’i Zerobabela izy. Hoesoriny avy ao ny vato izay hatao tendron’ny tempoly ka hantsoantsoin’ny olona hoe: ‹Mahafinaritra, mahafinaritra!› »
8
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko indray nanao hoe:
9
«Ny tanan’i Zerobabela no nametraka ny fanorenan’ity tempoly ity, ary ny tanany koa no hamita azy.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo.
10
fa ireo jiro fito ireo no mason’ny TOMPO izay mahita ny zavatra rehetra ambonin’ny tany. Misy olona manamavo ny andro anaovana asa madinika fanombohana. Kanefa aoka hifaly kosa ireo, raha mahita an’i Zerôbabela mampiasa pilao eny an-tanany.
11
Dia nanontaniako indray izy hoe: –Inona moa ireo hazo ôliva roa eo an-kavanana sy eo an-kavian’ny fitoeran-jiro ireo?
12
Ary mbola nanontaniako fanindroany izy hoe: –Inona koa ireo sampan’ôliva roa izay mandraraka diloilo volamena ireo amin’ny alalan’ny fantsona volamena anankiroa?
13
Ka hoy izy tamiko: –Tsy fantatrao koa va ny dikan’ireo? Fa novaliako hoe: –Tsia, Tompoko.
14
Dia nohazavainy tamiko àry fa ireo zavatra ireo dia manambara ny olona roa voahosotra tamin’ny diloilo mba hanompo ilay Tompon’ny tany tontolo.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14