bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Zechariah 12
Zechariah 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
1
Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:
2
–Indro Aho hanao an’i Jerosalema ho tsatokaty feno ny divaim-pahatezerako, ka hahafanina ny firenena rehetra manodidina. Ary hahafanina an’i Joda koa izany, rehefa ho voafahirano i Jerosalema.
3
Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan’ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin’ny tany hiray no hiady hamely ny tanàna.
4
Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra ambarako, dia hataoko mandraingiraingy ny tahotra avokoa ny soavaliny, ary ny mpitaingina azy ho lasa adala; hiambina tsara ny vahoakan’i Joda Aho, kanefa hampahajamba ny soavaly rehetra izay an’ny fahavalo.
5
Ary ny firenen’i Joda hanao anakampo hoe: «Ao amin’ilay Tompon’izao rehetra izao sady Andriamaniny no ahitan’ny mponin’i Jerosalema ny heriny».
6
Amin’izany andro izany, ny firenen’i Joda dia hataoko tahaka ny afo mihanaka amin’ny ala na mirehitra ao ambanin’ny antontan’amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina azy na eo ankavanany na eo ankaviany. Ary ny mponin’i Jerosalema dia mbola hijanona ao an-tanànany ihany.
7
Hovonjen’ny Tompo aloha ny fianakaviamben’i Joda, mba tsy hihevi-tena ho ambonin’ny olona sisa eran’i Joda ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema.
8
Amin’izany fotoana izany dia harovan’ny Tompo ireo mponin’i Jerosalema; ka ny osa indrindra ao aminy dia hatanjaka tahaka an’i Davida, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia tahaka ny anjeli n’ny Tompo mitarika azy eo aloha.
9
Amin’izany andro izany, hoy ny Tompo, dia hirotsaka an-tsehatra Aho handringana ny hafa firenena rehetra izay ho avy hamely an’i Jerosalema.
10
Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin’Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.
11
Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe ao Jerosalema, dia tahaka izay niseho tao Hadadrimôna teo amin’ny lohasahan’i Megidao.
12
Ary hisaona ny firenena, dia ny isam-pianakaviany avy: ny an’ny taranak’i Davida, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Natàna, lahy sy vavy samy mitokana;
13
ny an’ny taranak’i Levỳ, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Simey, lahy sy vavy mitokana;
14
ary ny fianakaviana sisa rehetra, lahy sy vavy samy mitokana hisaona avokoa.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
Recommended Reading
Commentary
Zechariah Commentaries
→
Devotional
Zechariah Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→