bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Zechariah 14
Zechariah 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
1
Indro akaiky ny andron’ny Tompo. Ka eo imasonareo, ry mponin’i Jerosalema, no hifampizaràn’ny hafa ny fanananareo.
2
Ary hangonin’ny Tompo ny firenen-drehetra hamely an’i Jerosalema; dia azon’ireo ny tanàna, ka horobainy ny trano ary hanaovany an-keriny ny vehivavy; ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanàna.
3
Dia hiainga hiady amin’ireny firenena ireny ny Tompo, ka hiady toy izay fanaony amin’ny andro fiadiana.
4
Amin’izany andro izany Izy dia hitsangana eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva izay eo atsinanan’i Jerosalema. Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanôliva ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany, manomboka avy any atsinanana no miankandrefana; ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo.
5
Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.
6
Amin’izany andro izany dia tsy hilaina intsony ny fahazavan’ny masoandro; tsy hisy intsony koa na ny hatsiaka na ny fanala.
7
Dia ho andro fahizay lalandava; ka tsy hisy andro sy alina miavaka intsony, fa hazava hatrany na dia ny alina aza. Ary ny Tompo irery no mahalala ny fotoana hisehoan’izany.
8
Ary amin’izany andro izany dia hisy loharano hifantsitsitra mandavantaona avy ao Jerosalema; ka ny antsasany hivarina any amin’ny Ranomasina Maty ary ny antsasany any amin’ny Ranomasina Mediteranea.
9
Amin’izany andro izany ny Tompo dia hanjaka amin’ny tany manontolo. Izy irery ihany no Andriamanitra hivavahana, ary ny anarany irery no hoeken’ny olon-drehetra.
10
Hovana lemaka ny faritra manontolo manodidina an’i Jerosalema, manomboka any Gebà any avaratra ka hatrany Rimôna any atsimo. I Jerosalema dia hisandratra ambonin’ireo tany manodidina azy; ary ny tanàna dia hitatra manomboka eo amin’ny vavahadin’i Benjamîna ka hatramin’ny vavahadin-joro, dia eo amin’ny toeran’ny vavahady tranainy, ary koa manomboka eo amin’ny tilikambon’i Hananehela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
11
Ho azo ipetrahana fahizay ao an-tanàna, fa tsy hisy intsony ny fandravana azy; ary dia handry fahalemana i Jerosalema.
12
Ary izao no aretim-be hamelezan’ny Tompo ny firenen-drehetra izay niady tamin’i Jerosalema: ho simba nofo dieny mbola velona ny olona, ho levona ho azy ao amin’ny fitoerany ny masony, ho tahaka izany koa ny lela ao am-bavany.
13
Amin’izany andro izany dia hasian’ny Tompo fifanjevoana tsy hifankahitana ao aminy, fa samy hanainga tanana hifamely izy.
14
Ny lehilahin’i Joda hiady mba hiaro an’i Jerosalema, ary haka ny haren’ny firenena rehetra manodidina: koa dia hangoniny ny volamena sy ny volafotsy mbamin’ireo fitafiana marobe.
15
Ary hisy aretim-be toy izany koa hamely ny biby rehetra ao an-tobim-pahavalo, dia ny soavaly sy ny ampondra ary ny rameva sy ny boriky mbamin’ny biby fiompy hafa rehetra ao.
16
Amin’izany andro izany, ny sisa amin’ireo firenena, izay niady tamin’i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona ao amin’io tanàna io hiankohoka eo anatrehan’ilay Mpanjaka, izany hoe ny Tompon’izao rehetra izao, ary koa hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka.
17
Raha misy firenena amin’ny tany tsy mety hiakatra any Jerosalema mba hiankohoka eo anatrehan’ilay Mpanjaka, izany hoe ny Tompon’izao rehetra izao, dia tsy mba hisy orana hilatsaka eo amin’ny taniny.
18
Ary raha ny firenen’i Ejipta kosa no tsy tonga miakatra ao Jerosalema mba hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka, dia tsy hisy koa ranonorana hilatsaka any aminy sady hanjo azy ny areti-mandoza izay namelezan’ny Tompo ireo firenena izay tsy niakatra nankalaza io fety io.
19
Izany no hanasaziana an’i Ejipta sy ny firenena hafa rehetra tsy mba hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka.
20
Amin’izany andro izany, na dia ny lakolosin-tsoavaly aza dia hisy soratra hoe: «Voatokana ho an’ny Tompo». Ny vilany tsotra ao amin’ny tempoly dia hoheverina ho masina tahaka ny tsatokaty famafazana izay eo anoloan’ny alitara.
21
Eny, ny vilany rehetra izay any Jerosalema sy Joda dia ho voatokana ho an’ny Tompon’izao rehetra izao. Ary izay rehetra tonga hanolotra sorona no hampiasa ireny mba hahandroan-kena. Ary amin’izay fotoana izay dia tsy hisy mpivarotra intsony ao an- tranon’ny Tompo n’izao rehetra izao.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14