bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Zechariah 3
Zechariah 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 4 →
1
Ary nasehon’ny TOMPO tamiko i Josoa mpisorombe izay nitsangana teo anatrehan’ny anjeli n’ny TOMPO. Ary nijoro teo ankavanan’i Josoa i Satàna mba hiampanga azy.
2
Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Satàna: –Hanery anao hangina anie ny TOMPO; eny, hanery anao hangina anie ny TOMPO Izay efa nifidy an’i Jerosalema! Fa tsy toy ny forohana nalaina tamin’ny afo va i Josoa?
3
Ary nitafy akanjo maloto i Josoa no nitsangana teo anoloan’ilay anjely.
4
Dia niteny io anjely io ka nandidy ireo olona teo akaikin’i Josoa hoe: –Esory aminy ny fitafiana maloto. Dia hoy kosa ilay anjely tamin’i Josoa: –Indro efa nesoriko ny fahotanao ka hampiakanjoako fitafiana mihaja ianao.
5
Ary nandidy ireo olona indray ilay anjely hanisy hamama madio eo an-dohan’i Josoa. Dia nasiany hamama madio ny lohany sady nampiakanjoiny fitafiana madio teo anatrehan’ilay anjelin’ny TOMPO izy.
6
Ary nilaza fanambarana tamin’i Josoa ilay anjelin’ny TOMPO nanao hoe:
7
«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dàlako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»
8
«Koa mihainoa, ry Josoa mpisorombe sy ianareo mpisorona namany rehetra izay mipetraka eo akaikiny, satria fambara ny famonjena ho avy ianareo. Indro fa hasehoko ilay mpanompoko, dia ilay antsoina hoe Itsimoka.
9
Eo anatrehan’i Josoa no ametrahako vato anankiray, dia vato tokana misy maso fito mamiratra. Indro hasiako soratra eo aminy, ary indray andro monja no hanesorako ny helok’ity tany ity, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.
10
Amin’izany andro izany ianareo dia samy ho finaritra hifanasa ho eo ambany voaloboka aman’aviavinareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14