bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Micah 1
Micah 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 2 →
1
Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Mika morastita tamin’ny andro nanjakan’i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’i Joda, dia ilay hitany ny amin’i Samaria sy i Jerosalema.
2
Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra. Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy. Aoka NY TOMPO Andriamanitra no ho vavolombelona hanameloka anareo, dia NY TOMPO, avy ao amin’ny tempoliny masina.
3
Fa indro, NY TOMPO miala avy ao amin’ny fitoerany ary midina ka mandia ny havoana amin’ny tany.
4
Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, ary mivava ny lohasaha, tahaka ny savoka taninin’ny afo sy tahaka ny rano mivarina any amin’ny hantsana.
5
Izany rehetra izany dia noho ny fahadisoan’i Jakoba sy ny fahotan’ny taranak’Israely. Iza no nahadiso an’i Jakoba? Tsy i Samaria va? Ary iza no toerana fanaovana soron’i Joda? Tsy i Jerosalema va?
6
Koa i Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha sy tany fambolem-boaloboka; havariko ho any an-dohasaha ny vatony ka haharihariko ny fanorenany.
7
Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, ary hodorana amin’ny afo ny karama malotony rehetra sady hofoanako ny sampiny rehetra satria karama maloton’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, ary hody ho karama maloton’ny vehivavy janga indray ilay izy.
8
Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako ka hahatonga ahy handeha tsy mikiraro sady mitanjaka; hikaonkaona toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny aotirisy.
9
Fa tsy azo sitranina ny ferin’i Samaria; mihatra amin’i Joda izany ary mahatratra ny vavahadin’ny oloko aza, dia any Jerosalema.
10
Aza ambaranareo any Gata izany ary aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Bety-Le-afra aho.
11
Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira. Tsy mivoaka ny trano ny mponina ao Zanàna; misaona ny ao Bety-Haezela ka tsy hanohana anareo intsony.
12
Mitaintaina ny amin’ny soa ho azy ny mponina ao Marota satria loza no nidina avy tamin’NY TOMPO ho ao am-bavahadin’i Jerosalema.
13
Fehezo amin’ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy fitondra miady, ry mponina ao Lakisy! Niandohan’ny fahotan’i Ziona zanakavavy iny, fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’ny Israely.
14
Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’i Moreseta-Gata; ranotrambo ho an’ny mpanjakan’ny Israely ireo tranon’i Akziba.
15
Mbola hitondrako olon-kafa izay handova anao ianao, ry mponina ao Maresa; ho tonga hatrany Adolama ny voninahitr’Israely.
16
Miheteza sy mikakasa noho ireo zanakao maminao. Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ny vaotoro fa lasan-ko babo lavitra anao izy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7