bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Micah 4
Micah 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 5 →
1
Ary izao no ho tonga amin’ny andro ho avy: Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra; hasandratra ho avo noho ny havoana rehetra izy ary hitanjozotra hankany ny firenena maro.
2
Eny, maro ny Jentilisa no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, ho any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany ka handehanantsika amin’ny sakeli-dalany. Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.
3
Ho mpitsara amin’ny firenena maro Izy ka hampiaiky ny firenena matanjaka na dia ireo any lavitra aza. Dia hanefy ny sabany ho lelan’angadinomby ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka: Tsy hisy firenena hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.
4
Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampihorohoro azy, fa ny vavan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no niteny.
5
Ny firenena rehetra dia samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa dia handeha amin’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitsika mandrakizay doria.
6
Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina mbamin’izay nampahoriko.
7
Ny mandringa no havelako ho sisa, ary izay noroahina lavitra no ho firenena matanjaka. NY TOMPO hanjaka aminy ao amin’ny tendrombohitra Ziona manomboka amin’izany ka ho mandrakizay.
8
Ary ianao, ry Tilikambon’ny andian’ondry, tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, aminao no ho tonga izany; eny, ho tonga indray ny fahefana voalohany, dia ny fanjakan’i Jerosalema zanakavavy.
9
Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainanao, no dia azon’ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy eo am-piterahana?
10
Ry Ziona zanakavavy, mararia ka manezaha, toy ny vehivavy eo am-piterahana! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao ka hipetraka any an-tsaha, dia ho tonga hatrany Babilona aza; any no hamonjena anao, eny, any no hanavotan’NY TOMPO anao ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
11
Ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro izay milaza hoe: Voaloto i Ziona, ary aoka hifaly mijery azy ny masontsika.
12
Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry NY TOMPO ary tsy azony ny fisainany: Efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
13
Mitsangàna ka manosihoseha, ry Ziona zanakavavy, fa hataoko vy ny tandrokao ary hataoko varahina ny kitronao ka hanorotoro firenena maro ianao; tsy azonao kasihina fa atokàny ho an’NY TOMPO ny harena azony tamin’ny tsy rariny, ary ho an’ny Tompon’ny tany rehetra ny fananany.
14
Koa mivoria ho andiany ianao, ry zanakavavin’ny andian-tafika! Ataovy fahirano izahay; asio amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7