bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Micah 5
Micah 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 6 →
1
Fa ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’ny iray ho mpitondra ho Ahy ao amin’ny Israely; hatry ny fahagola no niaviany, dia hatrizay hatrizay.
2
Koa hatolony ireny ambara-pahatongan’ny fotoana hiterahan’ny iray izay hiteraka; ary izay sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina ho eo amin’ny Zanak’Israely.
3
Hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ny herin’NY TOMPO sy amin’ny voninahitry ny anaran’NY TOMPO Andriamaniny ka handry fehizay ireny, fa hatramin’izao Izy dia ho lehibe hatrany amin’ny faran’ny tany.
4
Ary Izy no ho fiadanana. Raha tonga eto amin’ny tanintsika ny Asiriana ka miditra ao amin’ny tranobentsika dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
5
Handany ny tany Asiria amin’ny sabatra sy ny tanin’i Nimroda ao an-tanànany ireo. Ary Izy hanafaka antsika amin’ny Asiriana, raha tonga amin’ny tanintsika ireny ka hanitsaka ato amin’ny faritanintsika.
6
Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro dia ho tahaka ny ando avy amin’NY TOMPO, tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra, izay tsy manantena na inona na inona avy amin’ny olona, na miandry zavatra avy amin’ny zanak’olombelona.
7
Ary izay sisa amin’i Jakoba any amin’ny Jentilisa, any amin’ny firenena maro, dia ho tahaka ny liona amin’ny biby any an’ala sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ondry aman’osy: Raha mamakivaky ao izy dia manitsakitsaka sy mamiravira nefa tsy misy manafaka.
8
Aoka ny tananao hiainga hamely ny rafilahinao ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
9
Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao ary hofonganiko ny kalesy fitondranao miady;
10
hofoanako ny tanàna amin’ny taninao ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
11
hofoanako tsy hisy amin’ny tananao ny fanandroanao ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
12
Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra sy ny tsangambaton-tsampinao ka tsy hiankohoka eo anatrehan’ny asan’ny tananao intsony ianao.
13
Hongotako tsy ho eo aminao ny tsangankazon-tsampin’ny Aserahanao ary horavako koa ny tanànanao.
14
Ary amin’ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7