bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Micah 2
Micah 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 3 →
1
Lozan’izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandrianany! Ary nony maraina ny andro dia manatanteraka izany izy satria manan-kery ny tanany.
2
Mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, ary mitsiriritra trano koa ka mahazo azy; mampahory ny raim-pianakaviana mbamin’ny ankohonany izy, dia ny olona mbamin’ny lovany.
3
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, manomana loza hamelezana ity firenena ity Aho, dia loza tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo ka tsy handeha miandranandrana ianareo, satria andro mampahory izany.
4
Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Izay no izy! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika. Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko. Indrisy! Esoriny hiala amiko izany. Zarainy ho an’ny mpikomy ny tanintsika!
5
Koa tsy hisy aminao hanenjana kofehy fandrefesana hanaovana antsapaka ao amin’ny fiangonan’NY TOMPO.
6
Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; aoka tsy hiteniteny toy izany izy. Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
7
E! Izany va no teninao, ry taranak’i Jakoba? Malaky tezitra va NY TOMPO? Izany va no fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?
8
Vao omaly no omaly no nitsanganan’ny oloko ho fahavalo; endahinareo amin’izay mandeha tsy manana ahiahy avy any an’ady ny akanjobe ivelany manarona ny fitafiany.
9
Ny vehivavy amin’ny oloko dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra; esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika ny voninahitra avy Amiko.
10
Mitsangàna ka mialà! Fa tsy eto no fitsaharana, satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto; eny, fandringanana mafy.
11
Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitoriteny aminao ny amin’ny divay sy ny zava-mahamamo aho dia izy no ho mpitoriteny ho an’ity firenena ity.
12
Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, ary hanangona ny sisa amin’ny Israely. Hakambako toy ny ondry any amin’ny vala izy, toy ny andian’ondry ao amin’ny tany fiandrasana. Hisy tabataban’olona marobe.
13
Ny mpamaky lalana no miakatra eo alohany, mamaky lalana izy ka mandalo eo amin’ny vavahady dia mivoaka avy eo aminy; mandroso eo alohany ny mpanjakany, ary NY TOMPO no mitarika azy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7