bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Micah 7
Micah 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
1
Lozako! Fa efa toy ny mpioty voankazo aho ary toy ny mpitsimpom-boaloboka: Tsy misy salohy hohanina, na aviavy mialin-taona izay mampilendalenda ahy.
2
Lany tsy misy amin’ny tany intsony ny tsara fanahy; eny, tsy misy marina ao amin’ny olombelona; samy manao vela-pandrika mba handatsa-dra avokoa izy rehetra ary mihaza ny rahalahiny amin’ny harato.
3
Vonona hanao ratsy ny tanany; be fitakiana ny mpitondra, miaina amin’ny kolikoly ny mpitsara ary maneho ny fitsiriritany ny lehibeny, koa izy rehetra dia miray tsikombakomba.
4
Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny voaroy madinidinika misy tsilotsilony ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo. Avy ny andro nambaran’ny mpitilinao fa hamaliana anao. Amin’izany dia ho very hevitra izy ireo.
5
Aza matoky namana ianareo, aza manankim-po amin’ny sakaiza mahazatra fa ambeno ny varavaran’ny vavanao na dia amin’ny andefimandrinao aza.
6
Fa ny zanakalahy dia manamavo ny rainy, ny zanakavavy dia mitsangan-kanohitra ny reniny, ary ny vinantovavy dia hanohitra ny rafozambaviny, ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.
7
Fa izaho kosa dia hiandrandra NY TOMPO, eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho. Ny Andriamanitro no hihaino ahy.
8
Aza mifaly amin’ny manjo ahy, ry fahavaloko! Fa na dia lavo aza aho dia mbola hiarina ihany; raha mitoetra ao amin’ny maizina aho dia NY TOMPO no fahazavana ho ahy.
9
Ny fahatezeran’NY TOMPO dia hiaretako ihany satria nanota Taminy aho, ambara-pandahany ny raharahako ka hanomezany rariny ahy; hamoaka ahy ho amin’ny mazava izy ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
10
Hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, dia ilay niteny tamiko hoe: Aiza izay TOMPO Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko rehefa tonga fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
11
E, ny andro hananganana ny mandanao, fa amin’izany andro izany dia hitarina ny faritrao.
12
Amin’izany andro izany dia hanatona anao koa ny olona avy any Asiria sy avy any amin’ny tanànan’i Ejipta; eny, hatrany Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata, avy amin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina iray hafa, avy amin’ny tendrombohitra iray ka hatramin’ny tendrombohitra iray hafa.
13
Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ny mponina eo aminy, noho ny vokatry ny asany.
14
Ny tehinao no aoka hiandrasanao ny olonao, dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any anatin’ny kirihitrala, ao an-tampon’i Karmela. Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny, toy ny tamin’ny andro taloha ela.
15
Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta no hanehoako zava-mahagaga aminy.
16
Hahita izany ny Jentilisa ka ho rakotra henatra na dia mahery toy inona aza izy ireny; hitampim-bava izy, ho tonga marenina ny sofiny.
17
Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; hiala amin-kovitra avy ao amin’ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ny tany izy; NY TOMPO Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra; eny, hatahotra Anao izy.
18
Iza no Andriamanitra tahaka Anao izay manaisotra heloka sady mamela ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy fa tia mamindra fo.
19
Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika; eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
20
Hanefa fahamarinana ho an’i Jakoba Ianao ary famindrampo ho an’i Abrahama, dia ilay nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro taloha ela.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7