bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Micah 3
Micah 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 4 →
1
Hoy aho: Mihainoa re ianareo, ry loholon’i Jakoba sy ianareo mpanapaka ny taranak’Israely. Tsy anjara raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
2
Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, izay manendaka ny hoditry ny olona sy ny nofony amin’ny taolany;
3
eny, ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa sady manendaka ny hodiny ary manapotipotika ny taolany; eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, dia toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.
4
Rehefa mitaraina amin’NY TOMPO ireo dia tsy hihaino azy Izy; hanafina ny tavany aminy Izy amin’izany andro izany, ho valin’ny ratsy nataony.
5
Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko: Rehefa misy zavatra hotsakoiny dia mitory fiadanana izy, fa izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany ady masina!
6
Koa izany no hahatongavan’ny alina aminareo ka tsy hisy fahitana intsony, ary koa ny maizina aminareo ka tsy hisy fanandroana intsony; fa hilentika tsy hanazava ireny mpaminany ireny ny masoandro ary ho maizina aminy ny andro.
7
Ho menatra ny mpahita ary hangaihay ny mpanao fanandroana; eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra satria tsy misy valinteny avy amin’Andriamanitra.
8
Fa izaho kosa dia feno hery avy amin’ny Fanahin’NY TOMPO, mbamin’ny rariny sy fahasahiana mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy hilaza amin’Israely ny fahotany.
9
Mba mihainoa izao, ianareo loholon’ny taranak’i Jakoba sy mpitondra eo amin’ny taranak’Israely, dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana sy mamadika ny hitsiny rehetra,
10
ianareo izay manangana an’i Ziona amin’ny fandatsahan-dra, sy i Jerosalema amin’ny faharatsiana.
11
Mitsara hahazoany kolikoly ny mpifehiny, mampianatra hahazoany karama ny mpisorony ary manao fanandroana hahazoany vola ny mpaminany; nefa NY TOMPO mbola iankinany ihany ka hoy izy ireo hoe: Tsy ato amintsika va NY TOMPO? Tsy hisy loza hanjo antsika.
12
Koa hasaina toy ny tanimboly i Ziona noho ny nataonareo, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana rakotra ala.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7