bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Micah 6
Micah 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 7 →
1
Miangavy anareo aho, mihainoa izay lazain’NY TOMPO: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ny tendrombohitra, ary aoka ho ren’ny havoana ny feonao!
2
Mihainoa ny adin’NY TOMPO ianareo, ry tendrombohitra sy ianareo, ry fanorena-matezan’ny tany. Fa NY TOMPO manana ady amin’ny olony, eny, amin’ny Israely no ifandaharany.
3
Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
4
Fa nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ianao sady navotako avy tao amin’ny trano nanandevozana. Dia nirahiko hitarika anao i Mosesy sy i Arona ary i Miriama.
5
Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’i Balaka, mpanjakan’i Moaba, sy izay navalin’i Balama, zanak’i Beora, azy, ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, hahafantaranareo ny asa marina nataon’NY TOMPO.
6
Inona no hoentiko manatona NY TOMPO sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra izay any amin’ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana manontolo sy ombilahy kely izay iray taona va aho?
7
Ho sitraky NY TOMPO va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ny tenako?
8
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’NY TOMPO aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny rariny sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.
9
Manaitra ny tanàna ny feon’NY TOMPO ary mahita ny anaranao ny hendry; henoinareo ny tsorakazo sy izay nanendry azy!
10
Mbola misy rakitry ny harena azo tamin’ny tsy rariny ihany va ao an-tranon’ny ratsy fanahy na misy efaha tsy ampy famarana ao, izay mahatonga fahatezerana?
11
Mety madio va aho raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vatomizana tsy marina?
12
Feno hetraketraka ny mpanankarenany, miteny lainga ny mponina ao aminy ary ny lelany ao am-bavany dia fitaka avokoa.
13
Izaho kosa dia hikapoka maharary anao ka handringana anao noho ny helokao.
14
Ary ianao dia hihinana nefa tsy ho voky, fa mbola ho ao anatinao ihany ny hanoananao; hanokana ho tahiry ianao nefa tsy hahita toerana azo antoka hasiana azy, ary izay sendra voatahirinao aza dia hatolotro ho amin’ny sabatra.
15
Ianao dia hamafy nefa tsy hijinja; ianao dia hanosihosy oliva nefa tsy hihosotra diloilo, ary hanosihosy ranom-boaloboka nefa tsy hisotro divay.
16
Fa fatra-pitandrina ny lalànan’i Omry sy ny asan’ny taranak’i Ahaba rehetra ianareo, sady manaraka ny toroheviny; noho izany no hanolorako anao ho amin’ny faharavana ary ny mponina ao aminao dia ho zavatra mampisitrisitra ka hitondra ny latsan’ny oloko ianareo.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7