bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Judges 11
Judges 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 12 →
1
Tany Gilehada, dia nisy miaramila mahery fo nantsoina hoe Jiftà, zanakalahin’ny vehivavy janga sy ny lehilahy atao hoe Gilehada.
2
Niteraka zanakalahy maro ny vadin’i Gilehada; ka nony efa lehibe ireny, dia nandroaka an’i Jiftà ary nilaza taminy hoe: –Tsy manan-jò amin’ny lova avy amin’ny raintsika ianao satria zanaky ny vehivavy hafa.
3
Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jiftà ka nonina tao amin’ny faritanin’i Tôba. Ary nisy koa olom-poana nivondrona teo aminy ka nanao asan-jirika niaraka taminy.
4
Taoriana kelin’izany, dia nanafika ny Israelita ny Hamônita.
5
Ary rehefa vaky ny ady teo amin’ny Hamônita sy ny Israelita, dia nandeha ireo loholon ’i Gilehada mba haka an’i Jiftà any amin’ny faritanin’i Tôba,
6
ka nanao taminy hoe: –Avia ho mpitarika ny tafikay ianao, mba hahafahanay miady amin’ny Hamônita.
7
Fa novalian’i Jiftà hoe: –Moa tsy nankahala ahy ve ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ny raiko? Koa nahoana no mankatỳ amiko ianareo ankehitriny, rehefa tra-pahoriana?
8
Hoy kosa ny loholona tamin’i Jiftà: –Mitodika aminao izahay ankehitriny mba handehananao hiaraka aminay ka hiadianao amin’ny Hamônita; dia ho filohanay sy ho filohan’ny mponina rehetra any Gilehada ianao.
9
Dia hoy indray i Jiftà taminy: –Raha mampody ahy ianareo ankehitriny mba hiady amin’ny Hamônita, ka hatolotry ny TOMPO eo anoloako ireny, dia ho filohanareo aho.
10
Dia hoy ny valin-tenin’ny loholon’i Gilehada hoe: –Ny TOMPO no ho vavolombelona amintsika fa araka izay efa nambaranao no hataonay!
11
Dia nandeha niaraka tamin’ireo loholon’i Gilehada i Jiftà ka noraisin’ny olona ho filoha sy ho mpitari-tafika. Ary tao Mitsepà, teo anatrehan’ny TOMPO, dia nohamafisin’i Jiftà ny teny rehetra efa nifanarahany tamin’ireo loholona.
12
Nandefasan’i Jiftà iraka ny mpanjakan’ny Hamônita mba hilaza aminy hoe: –Inona no antony hiadiantsika no tonga atỳ amiko hanafika ny taniko ianao?
13
Dia hoy ny mpanjakan’ny Hamônita tamin’ireo irak’i Jiftà: –Fony niakatra avy tany Ejipta ny Israelita, dia naka ny taniko hatreo amin’ny lohasahan’i Arnôna ka hatrany amin’ny renirano Jabôka sy hatrany Jôrdàna. Koa ankehitriny avereno amiko am-pilaminana ireo faritany ireo.
14
Dia nandefa iraka fanindroany ho any amin’ny mpanjakan’ny Hamônita indray i Jiftà
15
mba hilaza izao hafatra izao: –Tsy naka ny faritanin’ny Môabita na ny faritanin’ny Hamônita ny Israelita.
16
Fa raha niakatra avy tany Ejipta ireo, dia namakivaky ny taniefitra hatreo amin’ny Ranomasin’ny Volotara ary nankany Kadesy.
17
Tao izy no nandefa iraka nangataka tamin’ny mpanjakan’i Edôma mba hahazo hamaky ny faritaniny, saingy tsy navelany. Ary nandefa fangatahana toy izany koa tamin’ny mpanjakan’i Môaba izy nefa tsy nekeny; ka dia nipetraka tao Kadesy ny Israelita.
18
Avy teo, dia nandeha namakivaky ny taniefitra izy, nanodidina ny faritanin’i Edôma sy i Môaba ary tonga tao atsinanan’i Môaba. Dia nitoby teo ampitan’ny renirano Arnôna izy fa tsy niditra tao anatin’ny faritanin’i Môaba, satria i Arnôna no sisin-taniny.
19
Ary nandefa iraka ho an’i Sihôna mpanjaka amôrita izay nanjaka tao Hesbôna ny Israelita, ka nangataka taminy mba hahazo hamaky ny faritaniny hatrany amin’ny toerana izay halehany.
20
Tsy natoky ny Israelita i Sihôna ka tsy namela azy hamakivaky ny taniny; fa namory ny tafiny manontolo, dia nitoby tao Jahatsa ary nanafika ny Israelita.
21
Ary natolotry ny TOMPO Andriamanitr’i Israely teo an-tanan’ny Israelita i Sihôna sy ny tafiny ka resiny. Dia nalain’ny Israelita ny faritany rehetra nonenan’ny Amôrita,
22
manomboka hatreo amin’ny lohasahan’i Arnôna ka hatrany amin’ny renirano Jabôka, ary hatreo amin’ny taniefitra atsinanana ka hatrany amin’ny ony Jôrdàna.
23
Ny TOMPO Andriamanitr’i Israely àry no efa namela anay vahoakany haka ny tanin’ny Amôrita, ka dia ianao indray ve no te hanaisotra azy aminay?
24
Moa tsy tananao ho fanananao ve ny faritany izay nomen’i Kemôsy andriamanitrao anao? Noho izany, dia zonay koa ny hitana ho fanananay izay tany rehetra nomen’ny TOMPO Andriamanitray anay.
25
Moa mihevi-tena ho tsara lavitra noho i Balàka zanakalahin’i Tsipôra sady mpanjakan’i Môaba ve ianao? Izy anefa tsy mba nila ady tamin’ny vahoaka Israely sady tsy nanafika azy.
26
Efa telonjato taona izao no nipetrahan’ny Israelita tao Hesbôna sy Harôhera mbamin’ireo tanàna kely manodidina azy avy ary koa tao amin’ireo tanàna rehetra eny amoron’i Arnôna; koa nahoana no tsy nalainareo io faritany io tamin’izany fotoana rehetra izany?
27
Raha izaho aloha dia tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy amin’ny iadianao amiko. Ny TOMPO mpitsara anie hitsara ny Israelita sy ny Hamônita anio!
28
Kanefa tsy niraharaha ny hafatr’i Jiftà ho azy ny mpanjakan’ny Hamônita.
29
Ary nirotsaka tao amin’i Jiftà ny Fanahin’ny TOMPO, dia nandeha nitety ny faritanin’i Gilehada sy i Manase izy, ary tonga tao Mitsepà any Gilehada mba hiampita ho any amin’ny faritanin’ny Hamônita.
30
Ary nivoady tamin’ny TOMPO i Jiftà ka nanao hoe: –Raha hatolotrao tokoa eo an-tanako ny Hamônita,
31
dia hatokako ho ANAO sady hatolotro ho sorona dorana manontolo ho Anao izay olona mivoaka voalohany ny varavaran’ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina avy nandresy ny Hamônita aho.
32
Dia nihoatra ny sisin-tanin’ny Hamônita i Jiftà mba hiady aminy; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanany ireo.
33
Nandresy azy i Jiftà, ka nahazo ny tanàna roapolo teo anelanelan’i Harôhera sy ny manodidina an’i Minita ary hatrany Abela-Keramima. Faharesena goavana ny an’ny Hamônita, ka dia nilefitra teo anoloan’ny Israelita izy.
34
Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepà i Jiftà, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin’ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy.
35
Koa raha vao nahita azy i Jiftà, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe: –Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin’ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.
36
Fa namaly azy ny zanany vavy hoe: –Dada ô, raha nanao voady tamin’ny TOMPO ianao, dia tanteraho amiko izay efa naloaky ny vavanao taminy satria IZY efa namela anao hamaly faty ny Hamônita fahavalonao.
37
Nefa na izany aza, dia mba omeo fe-potoana roa volana aho hankanesako eny an-tendrombohitra miaraka amin’ny namako mba hitomaniako ny tenako tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory.
38
Dia nomen’i Jiftà lalana handeha mandritra ny roa volana izy. Koa nandeha izy sy ireo namany ka nitomany teny an-tendrombohitra noho ny tenany tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory.
39
Nony afaka roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ka notanterahin-drainy taminy tokoa izay voady efa nataony. Dia maty mbola virijiny razazavavy. Ary hatramin’izay dia nanjary fanao teo amin’ny Israelita izao fomba izao:
40
Isan-taona ny vehivavy israelita dia mandeha mitomany mandritra ny efatra andro ny zanakavavin’i Jiftà, ilay Gilehadita.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21