bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Judges 15
Judges 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 16 →
1
Nony afaka andro vitsivitsy, tamin’ny fotoam-pijinjana varimbazaha, dia nandeha nitsidika ny vadiny i Samsôna, ka nitondra zanak’osy ho azy. Ary nangataka izy mba hahazo hiditra ao amin’ny efitrano misy ny vadiny, fa nolavin’ny rafozan-dahiny
2
nataony hoe: –Noheveriko ho tsy tianao intsony izy, ka dia nomeko an’ilay tovolahy namanao. Moa tsy tsara noho izy ve ny zandriny? Azonao alaina ho solony izy.
3
Dia hoy i Samsôna taminy: –Amin’izao indray mandeha izao dia afa-tsiny aho raha hanao ratsy amin’ny Filistinina.
4
Ary lasa i Samsôna nisambotra amboahaolo telonjato. Naka zavatra hatao tsolo koa izy, dia nafatony tsiroaroa ny rambon’ny amboahaolo, ary nafatony teo anelanelan’ny rambony ny tsolo iray.
5
Dia narehiny ny tsolo ary nalefany ireo amboahaolo ireo hankeny amin’ny tanimbarin’ny Filistinina ka nandoro ireo amboara sy salohim-bary ary koa ireo voly voaloboka sy voly ôliva.
6
Koa nifanontany ny Filistinina ny amin’izay nanao an’izao; ary nisy nilaza hoe: –I Samsôna, vinantolahin’ilay Timnita, satria ity rafozany no nisintona indray ny vadiny ka nanome azy ho an’ny namany. Dia niakatra ny Filistinina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy.
7
Ary hoy i Samsôna tamin’ireo: –Satria nanao izany ianareo, dia tsy hijanona aho raha tsy efa mahavalifaty izay nataonareo.
8
Koa namely azy i Samsôna ary nampitondra faisana azy tanteraka. Rehefa izany, dia lasa izy nonina teo an-tsefatsefak’ilay harambato tao Hetama.
9
Ary niakatra ny Filistinina ka nitoby tany Joda, ary nitandahatra hamely ny tanàna Lehỳ.
10
Dia nanontany azy ny vatan-dehilahy tao Joda hoe: –Nahoana no niakatra hanafika anay ianareo? Fa novalian’ireo hoe: –Mba hamatotra an’i Samsôna ka hanao aminy araka izay nataony taminay.
11
Dia nandeha nankany amin’ny tsefatsefak’ilay harambato tao Hetama ny vatan-dehilahy andiany telo tamin’ny fokon’i Joda ka niteny tamin’i Samsôna hoe: –Moa tsy fantatrao ve fa ny Filistinina no manjaka amintsika? Koa inona izao nataonao taminay izao? Dia novaliany hoe: –Araka izay nataony tamiko no nataoko taminy.
12
Fa hoy kosa ireo hoe: –Tonga izahay mba hamatotra anao ary hanolotra anao amin’ny Filistinina. Ka hoy i Samsôna taminy: –Mianiàna amiko àry fa tsy hamono ahy ianareo.
13
Dia namaly azy indray ireo hoe: –Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina. Dia nafatotr’ireo tamin’ny mahazaka roa vaovao i Samsôna ary nentiny niala tao an-dava-bato.
14
Ary nony tonga tao Lehỳ izy, dia nitsena azy tamin’ny horakora-pandresena ny Filistinina. Tamin’izay kosa no nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka nivaha mora foana toy ny tady rongony main’ny afo ireo tady mahazaka namatorana ny sandriny sy ny tanany.
15
Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsôna; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin’ny Filistinina.
16
Dia hoy i Samsôna hoe: –Valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy, valanoranom-boriky no nampivangongoako ireo faty.
17
Rehefa izany, dia natsipiny terỳ ilay valanoranom-boriky teny an-tanany; izany no niantsoana io toerana io hoe Ramata-Lehỳ na Havoanan’ny Valanorano.
18
Ary nahatsiaro nangetaheta mafy i Samsôna ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO nanao hoe: –Ianao no nanome ahy izao fandresena lehibe izao; koa ankehitriny ve dia havelanao ho fatin-ketaheta aho, ka ho latsaka eo an-tanan’ireo tsy mifora ireo?
19
Dia notresahin’Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehỳ ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsôna ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haîna-Kôrà na loharanon’ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany.
20
I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona tamin’ny andron’ny Filistinina.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21