bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Judges 14
Judges 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 15 →
1
Ary nidina nankany Timnà i Samsôna ka nahatsikaritra tovovavy filistinina iray tao.
2
Rehefa niverina izy, dia nitantara tamin’ny ray sy reniny hoe: –Nisy tovovavy filistinina iray tsikaritro tany Timnà, ka tiako hangatahinareo ho vadiko.
3
Fa namaly azy ny ray sy reniny hoe: –Angaha tsy misy tovovavy ato amin’ny fokonao na ato amin’ny firenenao manontolo no handeha haka vady any amin’izay Filistinina tsy mifora ianao? Fa hoy i Samsôna tamin’ny rainy: –Iny no mahafinaritra ahy, ka angataho ho vadiko.
4
Tsy fantatry ny ray aman-dreniny fa ny TOMPO mihitsy no namelona izany faniriana izany tao amin’i Samsôna mba hahazoany miady amin’ny Filistinina, satria tamin’izany fotoana izany dia ny Filistinina no nanjaka tamin’ny Israelita.
5
Dia niainga hankany Timnà i Samsôna. Nony tonga tao amin’ny tanim-boaloboka akaikin’i Timnà izy, dia nisy liona tanora nierona nanatona azy.
6
Fa nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka tanam-polo no nentiny nanasamatsamaka ilay liona tanora toy ny fanasamatsamahana zanak’osy; saingy tsy nambarany tamin’ny ray aman-dreniny izany zavatra nataony izany.
7
Ary nanohy ny diany i Samsôna ka nandeha nifampidinika tamin’ilay tovovavy filistinina, fa nahafinaritra azy razazavavy.
8
Andro vitsivitsy tato aoriana dia niverina tao Timnà izy mba hampakatra azy. Ary nivily izy mba hijery ny fatin’ilay liona ka nahita renitantely sy tantely tao anatin’ny vondron-taolan’ilay fatin-diona.
9
Dia nalainy tamin’ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin’ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin’ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.
10
Ary nidina nankany amin’ilay tovovavy i Samsôna, ka nanao fanasana fampakaram-bady tao toy ny fanaon’ny tovolahy rehetra.
11
Rehefa nahita azy ny Filistinina, dia nifantina tovolahy telopolo mba hiara-mikorana aminy.
12
Ary i Samsôna nilaza tamin’ireo hoe: –Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin’ny fito andro fanaovam-panasàna ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika.
13
Raha tsy izany kosa, dia ianareo no hanome ahy lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika. Ka hoy ny navaliny azy: –Ataovy àry ny ankamantatrao, fa mihaino anao izahay.
14
Dia hoy i Samsôna taminy: –Inona àry izany? Ilay mihinana no ipoiran’ny hanina, ilay mahery no ipoiran’ny mamy. Tapitra ny telo andro, nefa mbola tsy nahalaza ny valin’ilay ankamantatra ihany ireo tovolahy.
15
Tamin’ny andro fahefatra kosa dia hoy ireo tamin’ny vadin’i Samsôna: –Langolangoy ny vadinao mba hilaza aminay ny valin’ny ankamantatra; fa raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Fa moa ny handraofanareo ny fanananay ve no nanasanareo anay?
16
Dia nandeha nanao an-dranomaso tamin’i Samsôna ny vadiny ka nanao hoe: –Halanao aho fa tsy tianao akory! Nisy ankamantatra nataonao tamin’ny mpiray firenena amiko nefa tsy mba nilazanao ny valiny aho. Ka hoy i Samsôna hoe: –Tsy nilazako ny valiny na dia ny ray aman-dreniko aza, koa ahoana moa no hilazako azy aminao?
17
Dia nanjohy azy tamin-dranomaso ny vadiny tao anatin’ireo andro fito fanasana; ka tamin’ny andro fahafito, dia nilazan’i Samsôna ny valin’ny ankamantatra izy satria fatra-panao lemozy taminy. Avy eo ravehivavy dia nampita izany tamin’ny mpiray firenena aminy.
18
Koa tamin’iny andro fahafito iny, talohan’ny hilentehan’ny masoandro, dia tonga ireo lehilahy tao an-tanàna nilaza tamin’i Samsôna hoe: –Inona no mamy noho ny tantely? Ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy ny navalin’i Samsôna azy: –Raha tsy nampiasa ny vantotr’ombivaviko ianareo, dia tsy ho nahita ny valin’ny ankamantatro.
19
Dia nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka lasa nidina tany Askelôna izy. Namono nahafaty telopolo lahy tao izy ka naka ny fitafiany ary nanome ireny ho an’ireo nilaza ny valin’ny ankamantatra. Ary nirehi-pahatezerana i Samsôna ka niakatra nody tany amin’ny rainy.
20
Fa ilay vadiny kosa dia nomena ho vadin’ny tovolahy naman’i Samsôna sady mpandahatra ny fanasàny.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21