bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Judges 4
Judges 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 5 →
1
Ary rehefa maty i Ehoda, dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita.
2
Koa natolotry ny TOMPO izy ho eo ambany fifehezan’i Jabîna, mpanjaka kanahanita, izay nanjaka tao Hatsôra. I Siserà, izay nonina tao Harôseta-Gôima, no lehiben’ny tafiny.
3
Nanana kalesy vy sivinjato i Jabîna ary nampahory fatratra ny Israelita nandritra ny roapolo taona; koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ireo.
4
Tamin’izany fotoana izany dia i Debôrà, mpaminanivavy vadin’i Lapidôta, no mpitsara nitondra an’i Israely.
5
Ny sezam-pitsarana nipetrahan’i Debôrà dia teo ambany hazo rofia, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe «Hazo Rofian’i Debôrà», teo anelanelan’i Ramà sy i Betela, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Niakatra tany ny Israelita rehefa hotsaraina.
6
Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.
7
Fa hoentaniko i Siserà lehiben’ny tafik’i Jabîna ho tonga eo amoron’ny renirano Kisôna mba hanafika anao miaraka amin’ny kalesiny sy ny andian-tafiny; dia hatolotro eo an-tananao izy.
8
Fa namaly an’i Debôrà i Baràka nanao hoe: –Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
9
Ka hoy i Debôrà taminy: –Handeha hiaraka aminao aho, saingy tsy hisy voninahitra ho anao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà. Dia nandeha ho any Kedesa niaraka tamin’i Baràka i Debôrà.
10
Nangonin’i Baràka tao ny vatan-dehilahy zebolonîta sy naftalita. Andiany folo no nanaraka azy teny an-tendrombohitra Tabôra, ary niakatra niaraka taminy koa i Debôrà.
11
Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy.
12
Dia notantaraina tamin’i Siserà fa niakatra any an-tendrombohitra Tabôra i Baràka, zanakalahin’i Abinôhama.
13
Koa novoriny tao Harôseta-Gôima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin’ny renirano Kisôna.
14
Ary hoy i Debôrà tamin’i Baràka: –Andao amin’izay fa anio no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà eo an-tananao. Ny TOMPO mihitsy no mandeha eo alohanao! Dia nidina avy teo an-tendrombohitra Tabôra i Baràka narahin’ireo vatan-dehilahiny nisy andiany folo.
15
Tamin’izay no nataon’ny TOMPO nifanaritaka teo anoloany kosa i Siserà sy ny kalesiny mbamin’ny miaramilany rehetra. Niala tamin’ny kalesiny mihitsy aza i Siserà ka nandositra an-tongotra.
16
Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Harôseta-Gôima i Baràka; dia naringany tamin’ny sabatra avokoa ny miaramilan’i Siserà ka tsy nisy niangana na iray aza.
17
I Siserà dia nandositra an-tongotra hatrany amin’ny lain’i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita, satria nihavana ny fianakavian’i Hebera sy i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra.
18
Ary niainga i Jahela mba hitsena an’i Siserà ka nanao taminy hoe: –Midira, tompoko, midira ato amiko fa aza matahotra! Dia niditra tao an-dainy izy ka norakofany bodofotsy.
19
Ary hoy izy tamin-dravehivavy: –Mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta! Dia nanokatra ny siny hoditra misy ronono i Jahela ka nampisotro azy; avy teo i Siserà dia norakofany bodofotsy indray.
20
Ary hoy koa i Siserà taminy: –Mijanòna eo am-baravaran’ny tranolay; ka raha misy manontany anao hoe: «Misy olona ve ato?», dia valio hoe: «Tsia».
21
Ary efa sasatra loatra i Siserà ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin’i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an’i Siserà. Ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin’ny tany, dia maty i Siserà.
22
Tamin’izay no tonga i Baràka izay nanenjika an’i Siserà; koa niainga hitsena azy i Jahela ary nanao taminy hoe: –Avia, fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao an-dainy izy, ka nahita an’i Siserà efa maty mitsitra eo amin’ny tany sady gorobaky ny tsimaday ny fihirifany.
23
Tamin’izany andro izany no naetrin’Andriamanitra teo anatrehan’ny Israelita i Jabîna mpanjaka kanahanita.
24
Fa nihamafy hatrany ny famelezan’ny Israelita azy ambara-pahafatiny azy mihitsy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21