bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Judges 13
Judges 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 14 →
1
Ary mbola nanao ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita, ka natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Filistinina nandritra ny efapolo taona.
2
Tao Tsôrehà dia nisy lehilahy nantsoina hoe Manôà, avy tamin’ny fokon’i Dana. Momba ny vadiny ka tsy niteraka.
3
Indray andro dia niseho tamin-dravehivavy ny anjeli n’ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Fantatro fa momba ianao ka tsy niteraka; nefa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy.
4
Koa manomboka izao dia tandremo mba tsy hisotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana sakafo maloto,
5
noho ianao efa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary io zanakao io dia tsy azo hetezana volon-doha, satria ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo izy. Izy no hanomboka hanafaka ny Israelita amin’ny fangejàn’ny Filistinina.
6
Dia nody tany an-tranony ravehivavy ka niteny tamin’ny vadiny hoe: –Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tamiko. Toa anjelin’Andriamanitra no fijery azy satria nahatahotra mihitsy izy. Tsy nanontaniako izay niaviany ary tsy nambarany ahy ny anarany.
7
Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny.
8
Dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Manôà ka nanao hoe: –Tompo ô, miangavy anao aho, mba avereno atỳ aminay ilay lehilahin’Andriamanitra izay efa nirahinao ka hampianatra anay ny tokony hataonay amin’ny zaza izay ho teraka.
9
Dia nohenoin’Andriamanitra ny fangatahan’i Manôà; koa niseho tamin-dravehivavy indray ilay anjely raha mbola tany an-tsaha izy. Tsy tafaraka taminy anefa ny lahy;
10
koa nihazakazaka ravehivavy nampandre azy hoe: –Miseho amiko ao indray ange ilay lehilahy tonga tamiko indray andro.
11
Dia nanaraka ny vadiny avy hatrany i Manôà, ka nankany amin-dralehilahy ary nanontany azy hoe: –Ianao ve ilay lehilahy izay niteny tamin’ny vadiko? Ka novaliany hoe: –Eny, izaho no izy.
12
Fa hoy indray i Manôà hoe: –Izao àry, rehefa ho tanteraka tokoa ny teninao, dia inona no fitsipika tokony harahinay momba ny zaza? Ary inona no tokony hataonay aminy?
13
Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Manôà: –Tokony hotandreman’ny vadinao avokoa izay rehetra nolazaiko taminy:
14
tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin’ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.
15
Ary hoy i Manôà tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Mba mijanòna kely aloha ianao ambara-pamboatray zanak’osy ho anao.
16
Fa novalian’ilay anjely hoe: –Na hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafo amboarinao; fa raha te hanao sorona dorana manontolo ianao, dia atolory ho an’ny TOMPO izany. Fa mbola tsy fantatr’i Manôà ho anjelin’ny TOMPO izy,
17
ka nanontaniany hoe: –Iza moa no anaranao mba hanomezanay voninahitra anao, rehefa tanteraka ny teninao?
18
Ary hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Ahoana moa no anontanianao ny anarako? Anarana mahagaga izany!
19
Dia naka zanak’osy sy fanatitra hohanina i Manôà ka napetrany teo ambony vatolampy mba hatolotra ny TOMPO Izay mpanao zavatra mahagaga. Raha mbola nijery teo i Manôà sy ny vadiny,
20
dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady.
21
Dia fantatr’i Manôà tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO izy; ary tsy niseho tamin’izy mivady intsony ilay anjely.
22
Ary hoy i Manôà tamin’ny vadiny: –Tena ho faty tokoa isika, satria nahita an’Andriamanitra.
23
Fa namaly azy ny vavy hoe: –Raha te hamono antsika ny TOMPO, dia tsy ho nanaiky ny sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina natolotsika, ary tsy ho nampahita antsika ireny zavatra rehetra ireny na ho nampandre antsika akory torolalana toy ireny aninkeo ireny.
24
Ary nitera-dahy ny vadin’i Manôà ka ny anarany nataony hoe Samsôna. Dia nihalehibe ny zaza, ary ny TOMPO nitahy azy.
25
Fony i Samsôna tao an-tobin’i Dana, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin’ny TOMPO.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21