bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Judges 12
Judges 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 13 →
1
Nifamory ny vatan-dehilahin’i Efraîma, dia niampita an’i Jôrdàna ary tonga tao Tsafôna, ka niteny tamin’i Jiftà hoe: –Nahoana no nandeha niady tamin’ny Hamônita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio.
2
Fa namaly azy i Jiftà ka nanao hoe: –Nisy disadisa be tamiko sy ny vahoakako ary ny Hamônita. Dia niantso vonjy taminareo aho, nefa tsy nafahanareo teo an-tanan’ireny.
3
Koa rehefa hitako fa tsy tonga hanafaka ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha nanafika ny Hamônita; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanako izy. Koa nahoana ianareo no miakatra àty amiko anio mba hila ady amiko?
4
Dia namory ny vatan-dehilahy rehetra tao Gilehada i Jiftà, ka niady tamin’ny Efraîmita; ary nandresy azy ny Gilehadita, satria ireo Efraîmita ireo indrindra no naneso hoe: «Ianareo olon’i Gilehada dia tsy inona akory fa mpitsoaka an-daharana tao aminay Efraîmita ihany; avy tao anivonay Efraîmita ianareo no nankao anivon’ny Manasita.»
5
Ary nobahanan’ny Gilehadita ireo fitàna ny ony Jôrdàna hankany Efraîma. Koa isaky ny misy mpandositra te hiampita, dia nanontaniana hoe: –Efraîmita va ianao? Koa raha namaly izy hoe «Tsia»,
6
dia nasaina notononiny ny teny hoe «Shibôleta»; ary satria tsy hainy notononina izany fa ataony hoe «Sibôleta», dia noraisim-potsiny izy ary novonoina ho faty teo akaikin’ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna. Nahatratra andian-tafika 42 ny lehilahy Efraîmita maty tamin’izany fotoana izany.
7
Koa i Jiftà, ilay Gilehadita, no nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona; avy eo dia maty izy ka nalevina tao amin’ny tanàna izay nahabe azy, tany Gilehada.
8
I Ibitsàna avy any Betlehema no nandimby an’i Jiftà ka nitondra ny Israelita.
9
Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, ka nampanambady ny zanany vavy tany ivelan’ny fokony sady nampakatra vinantovavy telopolo avy any ivelany koa. Ary nitondra ny Israelita nandritra ny fito taona i Ibitsàna;
10
avy eo dia maty izy ka nalevina tao Betlehema.
11
I Elôna avy tamin’ny fokon’i Zebolòna no nandimby an’i Ibitsàna ka nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona.
12
Avy eo dia maty izy ka nalevina tao Aialôna, ao amin’ny faritanin’i Zebolòna.
13
I Habdôna, zanakalahin’i Hilela avy tao Pirehatôna, no nandimby an’i Elôna ka nitondra ny Israelita.
14
Nanan-janaka efapolo lahy sy zafikely telopolo lahy i Habdôna; ka samy nitaingina boriky iray avy ireo. Nitondra ny Israelita nandritra ny valo taona i Habdôna;
15
avy eo dia maty izy, ka nalevina tao Pirehatôna, any amin’ny faritanin’i Efraîma, eo amin’ilay hoe tendrombohitry ny Hamalekita.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21