bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Judges 8
Judges 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 9 →
1
Ary hoy ny vatan-dehilahy efraîmita tamin’i Gidehôna: –Nahoana no nanao izao fihetsika izao taminay ianao? Nahoana no tsy niantso anay ianao fony nandeha niady tamin’ny Midianita? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
2
Fa namaly azy i Gidehôna ka nanao hoe: –Inona moa izay nataoko raha mitaha amin’ny zava-bitanareo? Moa tsy ny firotsahanareo Efraîmita na dia teo amin’ny sehatra kely aza ve no tsara lavitra noho ny nataon’ny tarika abihezerita fiaviako?
3
Fa teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra an’i Hôreba sy i Zeeba lehiben’ny Midianita. Koa inona izay vitako raha oharina amin’ny nataonareo? Dia nitony ny fahatezeran’ireo Efraîmita, rehefa nandre izany tenin’i Gidehôna izany izy.
4
Ary tonga teo Jôrdàna i Gidehôna sy ireo telonjato lahy niaraka taminy ka niampita. Efa reraka izy ireo nefa mbola nanenjika ny fahavalony ihany.
5
Nony tonga tao an-tanàna Sokôta izy, dia hoy i Gidehôna tamin’ny mponina tao: –Mba omeo mofo ireto olona miaraka amiko ireto fa reraka; eo am-panenjehana an’i Zebaha sy i Tsalmonà mpanjaka midianita aho izao.
6
Fa novalian’ireo lehibe tao an-tanàna izy ka nataony hoe: –Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?
7
Dia hoy i Gedehôna hoe: –Ho hitanareo izany fa rehefa hatolotry ny TOMPO eo an-tanako i Zebaha sy i Tsalmonà, dia horovitiko amin’ny tsilo sy songosongo avy any an-taniefitra ny hoditrareo.
8
Avy teo i Gidehôna nankany Peniela, ary nilaza fangatahana tahaka izany koa tamin’ny mponina tao. Kanefa ny mponina tao Peniela dia namaly tahaka izay nataon’ny olona tao Sokôta ihany.
9
Koa niteny tamin’ny mponina tao Peniela i Gidehôna hoe: –Rehefa hiverina avy mandresy soa aman-tsara aho, dia horavako ny tilikambon’ny tanànanareo.
10
I Zebaha sy i Tsalmonà tamin’io dia tao Karkôra niaraka tamin’ny andian-tafiny 15 eo ho eo. Izay no sisa tamin’ny tafik’ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana, satria nahafatesana andian-tafika 120 nisy vatan-dehilahy kinga famely sabatra avokoa.
11
Ny lalan’ny mpifindrafindra lasy, teo atsinanan’ny faritra misy ny tarika Nôba sy ny tanàna Jôgbôhà, no narahin’i Gidehôna ka namelezany ny tobin’ny fahavalony izay tsy nanampo akory.
12
Nitsoaka nandositra i Zebaha sy i Tsalmonà, mpanjaka midianita roa lahy, nefa nenjehin’i Gidehôna ka azony sambo-belona; dia izany no nampihorohoroany ny tafika midianita manontolo.
13
Ary rehefa niverina avy niady i Gidehôna ka mby teo amin’ny fiakaran’i Heresa,
14
dia nisambotra tovolahy iray avy ao Sokôta ary nanontany azy. Dia nomen’ilehio azy an-tsoratra ny anaran’ireo lehibe sy loholona tao Sokôta ka nisy 77 no isany.
15
Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokôta i Gidehôna ka nanao taminy hoe: –Indreto i Zebaha sy i Tsalmonà izay nanesoanareo ahy hoe: «Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao efa reraka? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?»
16
Dia nalain’i Gidehôna ny tsilo sy ny songosongo avy tany an-taniefitra ka nofaiziny tamin’ireny ireo loholona tao Sokôta.
17
Noravany koa ny tilikambon’i Peniela ary novonoiny ny mponina tao.
18
Avy eo dia nanontany an’i Zebaha sy i Tsalmonà i Gidehôna hoe: –Tahatahaka ny ahoana moa ireo lehilahy izay novonoinareo tao Tabôra? Dia novaliany hoe: –Mitovy aminao izy. Miendrika zanak’andriamanjaka avokoa izy rehetra.
19
Fa hoy i Gidehôna taminy: –Rahalahiko, zanakalahin’ny reniko mihitsy ireny. Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa raha tsy novonoinareo ho faty ireny, dia tsy hovonoiko ho faty koa ianareo!
20
Ary nandidy an’i Jetera zanany lahimatoa i Gidehôna hoe: –Mitsangàna, vonoy ho faty ireo! Fa tsy sahy nanatsoaka ny sabany ilay zatovolahy, satria mbola tanora loatra izy ka natahotra.
21
Dia hoy i Zebaha sy i Tsalmonà tamin’i Gidehôna: –Aoka ny tenanao mihitsy no hamono hahafaty anay, satria adidin’ny lehilahy mahery fo ny manao izany! Dia nitsangana i Gidehôna ka namono hahafaty ireo mpanjaka roa lahy; ary nalainy ny firavaka nihantona teny am-bozon’ireo ramevany.
22
Taorian’izany dia hoy ny Israelita tamin’i Gidehôna: –Aoka ianao no hanjaka aminay ary ny zanakalahinao sy ny zafinao no handimby anao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny Midianita.
23
Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Tsia, tsy ho mpanjakanareo na ny tenako na ny zanakalahiko, fa ny TOMPO no ho mpanjakanareo.
24
Saingy hoy indray i Gidehôna taminy: –Izaho anefa te hangataka zavatra aminareo: aoka ianareo samy hanome ahy haba iray, nalaina tamin’ny babonareo avy! Ny Midianita manko dia nitondra haba volamena toy ny lehilahy rehetra monina any an-taniefitra.
25
Ka hoy ny navalin’ny Israelita an’i Gidehôna: –Eny, fa homenay anao tokoa izany. Dia namelatra lamba iray tamin’ny tany ireo ka samy nanipy haba volamena iray teo, dia haba nalain’ny isan’olona tamin’ny babony avy.
26
Ny lanjan’ny volamena nangatahin’i Gidehôna dia nahatratra roapolo kilao. Nahazo izay firavaka sy kavina ary fitafiana jaky nentin’ireo mpanjaka midianita koa izy, ankoatra ireo rojo nandravaka ny vozon’ny ramevany.
27
Ary ny volamena dia nanamboaran’i Gidehôna efôda izay napetrany tao Hofrà tanànany. Ary notompoin’ny Israelita rehetra toy ny sampy izany efôda izany, ka tonga fandrika ho an’i Gidehôna sy ny ankohonany.
28
Resin’ny Israelita hatreo ny Midianita ka tsy nahatraka tamin’ny fahareseny intsony; koa nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona nahaveloman’i Gidehôna.
29
Ary i Jerobahala na hoe Gidehôna, zanakalahin’i Jôasy, dia niverina nonina tany an-tranony.
30
Nanan-janakalahy fitopolo izy satria maro vady.
31
Nisy vadikeliny tao Sekema, izay niterahany zanakalahy nantsoina hoe Abimelèka.
32
Ary maty i Gidehôna rehefa tratra antitra tsara ka nalevina tao Hofrà, tanànan’ny tarika abihezerita, tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy.
33
Rehefa maty i Gidehôna, dia nanompo an’i Bahala indray ny Israelita ary nanao an’i Bahala-Berita ho andriamaniny.
34
Hadinony ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy.
35
Tsy nanehoany fitiavana koa ny ankohonan’i Jerobahala na Gidehôna, araka ny soa rehetra vitan’i Gidehôna tamin’i Israely.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
Recommended Reading
Commentary
Judges Commentaries
→
Devotional
Judges Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→