bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Judges 18
Judges 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 19 →
1
Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy mpanjaka tany Israely. Ary ny fokon’i Dana tamin’izay dia nitady faritany honenany, satria tsy mbola nahazo anjara tahaka ireo foko israelita hafa izy.
2
Koa nifidy lehilahy dimy mahery fo indrindra tao amin’ny fokony izy ary naniraka azy mba hijery tsara ny tany manomboka hatreo Tsôrehà ka hatrany Estaôla. Tonga hatrany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy ireo ary tafapaka teo akaikin’ny tranon’i Mikà ary nandry teo.
3
Fony izy dimy lahy teo akaikin’ny tranon’i Mikà, dia nandre ilay zatovo levita ka nahafantatra ny fomba fiteniny ary nanatona azy ka nanontany hoe: –Iza no nitondra anao amin’itony toerana itony ary inona no ataonao atỳ? Inona no mitazona anao atỳ?
4
Dia namaly azy izy hoe: –Zavatra isan-karazany no nataon’i Mikà tamiko; izy no manarama ahy, ka dia tonga mpisorony aho.
5
Fa hoy indray ireo taminy: –Andeha àry mba anontanio Andriamanitra hahafantaranay na hahomby izao dianay izao na tsia.
6
Dia hoy ilay mpisorona taminy: –Mandehana ombàm-piadanana, fa miahy anareo ny TOMPO amin’izao dianareo izao.
7
Koa nanohy ny diany izy dimy lahy ary tonga tany Laîsy. Hitany fa nilamina ny mponina tao, ka nandry feizay sy tsy manana ahiahy tahaka ny Tsidônianina. Tsy nanana hokianina amin’izay mpitondra azy ny olona. Fa niaina lavitra ny Tsidônianina ireo olona ireo ary tsy niankina tamin’i Arama.
8
Dia niverina nankany Tsôrehà sy Estaôla ireo iraka ary nofotorin’ireo mpiray foko aminy momba ny zavatra hitany.
9
Koa izao no nambarany: –Ndeha isika hanafika ny olona ao Laîsy. Araka ny hitanay manko dia tsara mihitsy ny faritany. Koa aza mijanonjanona eto foana ianareo fa andao haingana haka io faritany io isika.
10
Fa raha tonga any ianareo dia hamantana mponina tsy manana ahiahy ao anatin’ny faritany midadasika. Hatolotr’Andriamanitra anareo izany faritany misy ny ilaina rehetra eto ambonin’ny tany izany.
11
Dia niala tao Tsorehà sy Estaôla ny vatan-dehilahy eninjato avy tamin’ny fokon’i Dana sady nirongo fiadiana.
12
Niakatra ireo ka nitoby tao andrefan’i Kiriata-Jeharima, tao amin’ny tanin’i Joda. Izany no niantsoana io toerana io hoe Manahe-Dana na Tobin’i Dana, mandraka androany.
13
Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà.
14
Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin’i Laîsy tamin’ny namany: –Fantatrareo ve fa ny iray amin’ireo trano ireo dia misy efôda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo.
15
Ary nanatona izy dimy lahy dia niditra tao an-tranon’i Mikà nisy ilay tovolahy levita ary niarahaba azy.
16
Tamin’izay kosa ireo vatan-dehilahy danita eninjato nirongo fiadiana dia niatrana teo am-bavahadin’ny trano.
17
Ary niakatra izy dimy lahy nisafo ny faritr’i Laîsy ka nitsofoka tao an-trano ary naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika. Ny mpisorona tamin’izay dia teo am-bavahadin’ny trano niaraka tamin’izy eninjato lahy nirongo fiadiana;
18
koa raha nahita iretsy nitsofoka tao an-trano naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika izy, dia nanontany azy hoe: –Inona no ataonareo ao? Ka hoy iretsy taminy:
19
–Mangina ianao, ary tampeno ny vava! Andeha hiaraka aminay, dia ho mpisoron’ny fokonay ianao. Sa inona no tianao kokoa? Ho mpisorona amin’ny ankohonan’olon-tokana ve sa ho mpisorona amina tarika na foko israelita iray manontolo?
20
Dia faly ilay mpisorona ka nitondra ny efôda sy ny terafima ary ny sampy sady niditra teo anivon’ilay andian-tafika.
21
Dia niainga ireo ka nanohy ny diany. Ny zaza amam-behivavy sy ny biby fiompy ary ny entana no nalefany teo aloha.
22
Efa lasa lavitra ny tranon’i Mikà ireo, vao nifamory i Mikà sy ny vatan-dehilahy mpiara-monina taminy ka nanenjika azy.
23
Ary nony nihorakoraka nanjohy ny Danita izy, dia nisampotina kosa ireto ka nanontany an’i Mikà hoe: –Inona no nahatonga anao namory olona maro toy izao?
24
Dia namaly azy i Mikà hoe: –Nalainareo ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy ary nentinareo ny mpisoroko, dia iny ianareo no lasa; ka tsy manana na inona na inona intsony aho. Koa mbola sahy manontany izay nahatonga ahy nanao izao ihany ve ianareo?
25
Fa hoy ny Danita taminy: –Aoka tsy handre ny fitarainanao intsony izahay, fandrao hisy ho sosotra aminay ka hamely anareo; dia ianao no hahatonga fahafatesana ho an’ny tenanao sy ny ankohonanao.
26
Ary nanohy ny diany ihany ny Danita. Rehefa hitan’i Mikà kosa fa nahery noho ny tenany ireo, dia niverin-dàlana nody tany aminy izy.
27
Nalain’ireo Danita ny sampy nataon’i Mikà sy ny mpisorony, dia lasa izy nanafika an’i Laîsy; ka naringany tamin-tsabatra ny mponina tao izay nandry feizay tsy nanana ahiahy, ary nodorany ny tanàna.
28
I Laîsy dia tao amin’ny lohasahan’i Bety-Rehôba, ka lavitra an’i Tsidôna ary tsy niankina tamin’i Arama. Noho izany tsy nisy olona tonga namonjy azy. Dia namboarin’ny Danita ny tanàna, ka nonenany.
29
Novàny ny anaran’i Laîsy izay niantsoana azy taloha ka nampitondrainy ny anaran’i Dana razambeny, izay zanakalahin’i Jakôba.
30
Ary natsangan’ireo ilay sampy nataon’i Mikà; ka i Jônatàna zanakalahin’i Gersôma sady zafikelin’i Mosesy no nanjary mpisoron’ny foko danita. Ny taranak’i Jônatàna no nitana io andraikitra io ambara-pahatonga ny andro famaboana izany tany izany.
31
Nokajin’ireo ilay sampin’i Mikà tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silao.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21