bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Song of Solomon 1
Song of Solomon 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 2 →
1
Ny tononkira tsara indrindra amin’ny tononkira rehetra. Ao amin’ny rakitsoratr’i Salômôna.
2
Hanoroka mafy ahy tokoa anie ianao! Fa ny safosafonao dia fy mihoatra noho ny divay
3
ary koa mamerovero mihoatra noho ireo ilomanitrao. Ianao dia mahasintona mihoatra noho ny ilomanitra voafantina; koa izany no itiavan’ireo zatovovavy anao.
4
Ento aho hanaraka anao, ary aoka isika hihazakazaka. Dia ianao mpanjakako no hampiditra ahy an’efitranonao. Aoka isika, noho ny aminao, hiara-tsambatra sy hiara-paly; dia hankamamiantsika anie ny safosafonao izay fy mihoatra noho ny divay. Marina ny itiavan’ireo zatovovavy anao!
5
Ry tovovavin’i Jerosalema ô, zarazara hoditra aho nefa bikana; ny tarehiko dia mivalomainty toy ny lain’ireo mpifindrafindra lasy, nefa meva toy ny temitr’i Salômôna.
6
Aoka re aho mba tsy hojerenareo araka ny mahazarazara hoditra ahy, satria nodanihin’ny hainandro aho! Tezitra tamiko ireo anadahiko ka nanery ahy hiambina ny tanimboalobony; nefa ny tanimboaloboko, dia ny an’ny tenako manokana, tsy mba nambenako akory!
7
Ambarao ahy, ry ilay tiako, izay iandrasanao ny ondrinao sy izay ampialanao sasatra azy rehefa mitataovovonana mba tsy hivezivezeko hitady anao eny amin’ny andiam-bibin’ireo namanao.
8
Raha tsy fantatrao izany, ry vehivavy tsara tarehy indrindra, dia araho ny dian’ondry; ka tariho ny zanak’osinao hanakaiky ny lain’ireo mpiandry ondry.
9
Amiko ianao, rahavako, dia meva tahaka ny soavaly mpanao matso izay mitarika ny kalesin’ny Farao.
10
Mahatsara ny takolakao ireo kavina eo an-daniny avy; ary manendrika ny tenanao ny rado iambozonanao.
11
Rojo volamena voaravaka volafotsy no hampanaovinay ho anao.
12
Fony mbola eo amin’ny fanasàny no mipetraka ity mpanjakako, dia mamerovero aoka izany ny ilomanitro natao tamin’ny narda.
13
Ny malalako amiko dia mamerovero tahaka ny miora iray fonosana izay mialina eo an-tratrako;
14
ny malalako amiko dia manimanitra tahaka ny voninkazo dia mamelana any an-tanimboalobok’i Haîna-Gedỳ.
15
Tsara tarehy ianao, rahavako, eny, tsara tarehy ianao; ny masonao dia mahafinaritra tahaka ny voromahailala.
16
Tsara tarehy koa ianao, ry malalako, sady mambabo tokoa. Ahi-maitso mavana no fandriantsika;
17
rantsana sedera no miendrika sakamandimby amin’ny tranontsika, ary hazo kipresy no toa peta-drindrina.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8