bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Song of Solomon 3
Song of Solomon 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 4 →
1
Isan’alina aho eo am-pandriako iny dia mitady ilay tiako; tadiaviko izy fa tsy hitako.
2
Hifoha aho ka hitety ny tanàna, hamakivaky arabe sy kianja, mba hitady ilay tiako; tadiaviko izy fa tsy hitako.
3
Ireo mpiambina misafo ny tanàna no tojo ahy ka anontaniako hoe: «Mba hitanareo ve ilay tiako izay?»
4
Vao nolalovako kely ireo, dia hitako ilay tiako; ka hazoniko izy fa tsy avelako, raha tsy tongako any an-trano ao an’efitr’ilay reny niteraka ahy.
5
«Ry tovovavin’i Jerosalema ô, noho ny amin’ny gazela na ny dieravavy eny an-tsaha, dia miangavy mafy anareo aho hoe: Aza tairina na fohazina ilay tiako, raha tsy efa sitrapony!»
6
Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra tahaka ny setroka mitambolimbolina ho etona mandraradraraka miora sy emboka mamerovero ary fofon-javamanitra isan-karazany?
7
–I Salômôna eo amin’ny filanjàny iny, otronin’ny miaramila enimpolo, dia miaramila voafantina tamin’i Israely.
8
Mirongo sabatra avokoa ireo sady efa voasedra hiady. Misakelika ny sabany avy izy hiatrehana fanairana amin’ny alina.
9
Nampanao filanjana ho azy tamin’ny hazo avy any Libano i Salômôna mpanjaka.
10
Volafotsy no natao tanjany, volamena ny fiankinana, lamba volomparasy ny fipetrahana; ary ny ao anatin’io filanjana io dia ireo tovovavin’i Jerosalema no nandravaka azy tamim-pitiavana.
11
«Ry tovovavin’i Jerosalema ô, andao hijery an’i Salômôna mpanjaka manao ilay satroboninahitra izay nasatroky ny reniny azy tamin’ny androm-panambadiany, dia ilay andro nifalian’ny fony.»
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8