bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Song of Solomon 2
Song of Solomon 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 3 →
1
Izaho kosa dia voninkazo any amin’ny lemak’i Sarôna ary lisy eny an-dohasaha.
2
Toy ny lisy eo anivon’ny tsilo, dia toy izany ity rahavako, eo anivon’ireo zatovovavy.
3
Toy ny hazo paoma anankiray eo anivon’ireo hazo anaty saha, dia toy izany ity malalako eo anivon’ireo zatovolahy. Ka mahafinaritra ahy ny mipetraka eo ambany alokalon’io hazo paoma io, sady mamy ao am-bavako ny voany.
4
Nentiny ho ao amin’ny toerana fisotroan-divay aho ka «Fitiavana» no teny faneva teo amboniko.
5
«Rosoy ampempam-boaloboka aho hamelombelona aina ahy ary hatanjaho amina paoma aho, fa mararim-pitia.»
6
Manondana ahy ny sandriny ankavia ary mamihina ahy ny sandriny ankavanana.
7
«Ry tovovavin’i Jerosalema ô, noho ny amin’ny gazela na ny dieravavy eny an-tsaha, dia miangavy mafy anareo aho hoe: Aza tairina na fohazina ilay tiako, raha tsy efa sitrapony!»
8
Injay ny feon’ny malalako! Indro izy fa tamy ka mitsambikimbikina eny an-tendrombohitra ary mifalihavanja eny an-kavoana.
9
Ny malalako dia mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora; indro izy fa mijanona ao alatranonay, ka manarangarana eo am-baravarankely, zary mitsikilo eo amin’ny makarakara.
10
Dia niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, rahavako; ry ilay tsaratarehiko, ndeha hiaraka amiko.
11
Fa efa lasa ny ririnina, nitsahatra sy dify ny orana.
12
Mamelana amin’ny tany ny voninkazo, tonga ny fotoam-pikalokaloana ka re atỳ amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina.
13
Mihamasaka eny amin’ny aviavy irony voany tanora; ary mamerovero manitra ny voaloboka mamony. Koa mitsangàna, rahavako; ry ilay tsaratarehiko, ndeha hiaraka amiko.
14
E ry voromahailalako mitoetra eny an-tsefatsefa-bato sy miery eny amin’ny hantsana, mba asehoy ahy ny endrikao ary ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao ary soa ny endrikao.»
15
«Sambory ka omeo anay ny fosa, dia ireo zanaka fosa mpanimba ny tanimboalobokay fa efa mamony izao ny voalobokay.»
16
Ahy ny malalako, ary azy aho. Amin’ny toerana misy lisy no mirao-bilona izy.
17
Amin’ny takariva mangatsiatsiaka, rehefa hilentika ny masoandro ka hihamaizina ny andro, dia miverena, ry malalako; ary aoka ianao ho mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora no manketỳ Ambohimisaraka.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8