bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Song of Solomon 4
Song of Solomon 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 5 →
1
Tsara tarehy ianao, rahavako; eny, tsara tarehy ianao! Mahafinaritra toa voromahailala ny masonao anatin’ny voalinao; ny volon-dohanao dia toy ny andian’osy midina ny tendrombohitra Gilehada.
2
Ny nifinao dia fotsy toa andian’ondrivavy izay efa voahety sy avy nampandroana; samy manana rahavavy kambana ireo, ka tsy misy izay tsy tahaka izany.
3
Toa ribà mena ny molotrao; ary mahafatifaty ny vavanao. Menamena toa hasin’ampongabendanitra ireo takolakao anatin’ny voalinao.
4
Ny vozonao dia toy ny tilikambon’i Davida, izay naorina hiendrika boribory; ampinga arivo no mihantona eo, dia ny ampingan’ireo maherifo.
5
Ny nononao roa dia hoatra zana-gazela, dia gazela kambana vao natera-dreniny ka mirao-bilona eny anivon’ny lisy.
6
Amin’ny takariva mangatsiatsiaka, rehefa hilentika ny masoandro, dia tapa-kevitra aho ny handeha ho etỳ an-tendrombohitrao mandraraka miora sy ho etỳ an-kavoanao mamerovero zava-manitra.
7
Tsara avokoa ny bikanao, rahavako; eny, tsara tsy misy tomika ianao.
8
Andao hiaraka amiko, ry fofombadiko; ialao i Libano ka andao hiaraka amiko. Hidina avy eny an-tampon’i Amanà ianao, ary hidina avy eny Senira sy Hermôna. Andosiro ireny fa toeram-pieren’ny liona sy tendrombohitra fiafenan’ny leôparda.
9
Mambabo ny foko ianao, ry havako fofombadiko; mambabo ny foko ny indray mipimasonao ary na dia ny rojo anankiray eny am-bozonao aza.
10
Mamy tokoa ny safosafonao, ry havako fofombadiko; fy tokoa ny safosafonao, eny, fy mihoatra noho ny divay; ary ny ilomanitrao dia mahasintona ahy mihoatra noho ny zava-manitra hafa rehetra.
11
Ny molotrao, ry fofombadiko, dia toa mitsonika hamamiana avy amin’ny vonin-javamaniry. Mamy toa ronono aman-tantely ny teninao; ary ny hanitr’ireo akanjonao dia toy ny an’ireo hazo any Libano.
12
Zaridaina mifefy tsara hidy ianao, ry havako fofombadiko; zaridaina mifefy tsara hidy ianao sady loharano voaisy tombokase.
13
Ianao toa sahan’ampongabendanitra izay misy voany matsiro; samy mamerovero ao koa ny kôfera sy ny narda,
14
ny narda sy ny safràna, ny veromanitra sy ny kanelina mbamin’ny hazo manitra rehetra; mandraradrara-pofona eo koa ny miora sy ny aloesy ary ny menaka manitra rehetra.
15
Loharano ao an-jaridaina ianao, dia fantsakana miboiboika ranovelona izay mikoriana avy any Libano.
16
Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; ary avia, ry rivotra avy any atsimo. Mitsofa ao an-jaridainako ianareo, dia handraraka ny zava-manitra eo aminy. Aoka ny malalako hankatỳ an-jaridainany ka hihinana ireo voankazony matsiro.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8