bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Song of Solomon 8
Song of Solomon 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
1
Raha mba no anadahiko moa ianao, ka ninono tamin’ny nonon’i neny! Ho afaka manoroka anao aho, rehefa tojo anao eny ivelany eny, ary tsy hisy sahy hanakiana ahy.
2
Hoentiko any an-tranon’i Neny ianao mba hampianatra ahy ny fitiavana; dia divay nolaroina zava-manitra sy ranon’ampongabendanitro no hampisotroiko anao.
3
Manondana ahy ny sandriny ankavia ary mamihina ahy ny sandriny ankavanana.
4
«Ry tovovavin’i Jerosalema ô, miangavy mafy anareo aho hoe: Aza tairina na fohazina ilay tiako raha tsy efa sitrapony!»
5
Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra mitehina amin’ny malalany? Eo ambanin’ny hazo paoma no amohazako anao, fa toerana nahatorontoronina anao sy toerana niterahan-dreninao anao.
6
Ataovy eo ambonin’ny fonao aho toy ny tombokasenao manokana; ary tazony eo an-tsandrinao aho toy ny vato voasokitra ho anao. Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy mifaditrovana toy ny toeran’ny maty ny fitiavana mirehidrehitra. Lelafo miredareda tokoa izy ary mahery vaika toy ny varatra.
7
Na dia ny ranomasimbe aza tsy mahafaty ny afon’ny fitiavana; ary ny ranoben’ireo ony tsy mahasarona azy ho rendrika. Na dia misy aza olona hanome ny fananany rehetra ao an-tranony mba hividianana ny fitiavana, dia ho afa-baràka fotsiny izy.
8
Manana anabavy iray izahay, saingy mbola kely tsy misy nono izy. Hataonay ahoana ny anabavinay, raha tonga ny andro hangatahana azy?
9
Raha no manda fiarovana izy, dia tilikambo volafotsy no hatsanganay eo an-tampony; Fa raha no varavara-mivoha izy, dia bara hazofisaka sedera no hanidianay azy.
10
Manda fiarovana aho; ireo nonoko no toa tilikambo. Eo imason’ny malalako aho dia ilay hampiadam-pinaritra azy.
11
Manan-tanimboaloboka iray ao Bahala-Hamôna i Salômôna; nahofany tamin’ny mpiandry voly izany ka sekela volafotsy arivo no sandany.
12
Masi-mandidy amin’ny ahy aho, dia ny tanimboaloboko izany; ny sekela arivo kosa no anao, ry Salômôna, ary ny sekela roanjato ho an’ireo mpiandry voly.
13
Ry ilay tsaratarehiko izay mitoetra ao an-jaridaina, misy namako te hihaino ny feonao; kanefa dia izaho ihany no ampandreneso anao miteny hoe:
14
«Mandosira, ry malalako; ary aoka ianao ho mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora no manketỳ Ambohimanitra.»
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8