bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Song of Solomon 7
Song of Solomon 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 8 →
1
–Miverena, miverena, ry Solemita; miverena, miverena hijerenay anao. –Nahoana ianareo no mijery ilay Solemita, toy ny mijery ny dihin’ny roa tonta?
2
Endrey, ry ilay zanakavavin’olom-banona, ny hatsaran’ny tongotrao mikapa! Ny amboampenao dia toa fehivozona izay sangan’asan’ny mpahay taozavatra.
3
Ny foitranao dia miendrika kaopy boribory; tsy ho diso divay nolaroin-java-manitra anie izany. Ny kibonao dia toa antontam-barimbazaha izay voaravaka lisy manodidina.
4
Ny nononao roa dia hoatra zana-gazela, dia gazela kambana mbola tanora.
5
Ny vozonao dia toa tilikambo ivoary. Ny masonao dia manahaka ireo kamory any Hesbôna, eo am-bavahadin’i Baty-Rabima. Ny oronao dia maranidranitra tahaka ilay Tilikambon’i Libano izay mpiambina tandrifin’i Damasy.
6
Eo ambonin’ny tenabenao, ny lohanao dia meva fisandratra tahaka ny tendrombohitra Karmela; ny volon-dohanao dia sady mivolomparasy no olioly mambabo ny mpanjaka.
7
Tsara tarehy sady mahafinaritra tokoa ianao, ry tiako sy vehivavy loharanon-kasambarako.
8
Izato tsangananao dia matsoraka tahaka ny hazo palma; ary ireo nononao dia toa sampahom-boaloboka.
9
Izany no mampiteny ahy hoe: «Hianika ny hazo palma aho ka handray ny rantsany.» Enga anie ireo nononao ho toa sampahom-boaloboka ho ahy; enga anie ny hanitry ny fofonainao hamerovero tahaka ny paoma,
10
ary ny vavanao hankafiziko tahaka ny divay tsara...!...eny, divay tsara voatokana ho an’ny malalako ary hisoko amin’ny molotray rehefa matory.
11
An’ny malalako aho ary ho amiko ny faniriany.
12
Avia, ry malalako, ndeha isika ho any an-tsaha ka hialina eny anivon’ny voninkazo dia.
13
Hankany an-tanimboaloboka isika, dieny vao maraina ny andro, hijery raha mitsimoka ny voaloboka na efa mivelatra ny voniny, ary mamelana ny ampongabendanitra. Any no hanomezako safosafo anao.
14
Mihanaka ny hanitry ny paomam-pitiavana. Ary eo am-baravarantsika avokoa ireo voankazo matsiro, na ny vao na ny ela; samy atokako ho anao ireny, ry malalako.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8