bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Song of Solomon 6
Song of Solomon 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 7 →
1
Fa nankaiza ny malalanao, ry vehivavy tsara tarehy indrindra? Nivily aiza ny malalanao mba hiarahanay aminao hitady azy?
2
Midina any an-jaridainany ny malalako, dia any an-tsaham-boninkazo mandraradraraka, mba hirao-bilona any sy hioty lisy.
3
An’ny malalako aho ary ahy ny malalako. Amin’ny toerana misy lisy no mirao-bilona izy.
4
Ianao, rahavako, dia tsara tarehy tahaka ny tanàna Tiritsà sady kanto tahaka an’i Jerosalema ary mahatalanjona toa andian-kintana.
5
Aza ajerinao ahy ny masonao fa mampiontanontana ny foko. Ny volon-dohanao dia toy ny andian’osy midina ny tendrombohitra Gilehada.
6
Ny nifinao dia fotsy toa andian’ondrivavy izay efa voahety sy avy nampandroana; samy manana rahavavy kambana ireo, ka tsy misy izay tsy tahaka izany.
7
Menamena toa hasin’ampongabendanitra ireo takolakao anatin’ny voalinao.
8
Mpanjakavavy enimpolo no an’ny mpanjaka, valopolo ny vaditsindranony ary tsy hita isa ny zatovovaviny;
9
fa vehivavy iray ihany no voromahailalako, dia ilay voromahailalako tsy misy tomika, vavitokan’ny reniny sady zanany tiany indrindra. Ireo vehivavy hafa izay mahita azy dia manambara azy hoe sambatra; ary ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano dia samy midera azy manao hoe:
10
«Fa iza moa io vehivavy io izay manjelanjelatra toy ny maraina sady tsara tarehy toy ny volana sy mamirapiratra toy ny masoandro ary mahatalanjona toa andian-kintana?»
11
Midina ao an-jaridainam-boankazo aho hijery ny tsirim-boly eny an-dohasaha sy hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra.
12
Kanefa tsy ampoimpoiziko ny nanjo ahy; fa nahatonga ahy hatahotahotra ianao, ry ilay vehivavy mpiray firenena amiko sady zanakavavin’olom-banona.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8