bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Song of Solomon 5
Song of Solomon 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 6 →
1
Tonga eto an-jaridainako aho, ry havako fofombadiko, ka mioty ny miorako mbamin’ny zava-manitro, sy mihinan-tantely avy amin’ny tohotra, ary misotro ny divaiko sy ny rononoko. «Mihinàna ianareo, ry sakaiza, ka misotroa; ary aoka ianareo ho sondriam-pitia.»
2
Matory aho fa ny foko mahatsiaro ihany. Injay reko ny malalako izay mandondòna sady miteny hoe: «Vohay aho, ry havako fofombadiko, ry ilay voromahailalako tsy misy tomika. Fa rakotra ando ny lohako; ary kotsan’ireo patrakalan’ny alina ny volon-dohako milantolanto.»
3
«Efa niala akanjo aho, ka hiverina hiakanjo indray ve? Efa nanasa tongotra koa aho, ka handoto azy indray ve?»
4
Atsofok’ilay malalako ny tanany eo amin’ny lavaky ny hidim-baravarana; ka mampidobodoboka ny foko izany.
5
Mitsangana aho hamoha ny malalako. Mitsonika menaka miora ny tanako sy ny rantsan-tanako, raha mamoha ny hidin-trano aho.
6
Vohako varavarana ny malalako, kanjo efa nihodina izy ka lasa. Mivoaka ny trano hanenjika azy aho; dia tadiaviko izy fa tsy hitako, ary antsointsoiko fa tsy mamaly.
7
Ireo mpiambina misafo ny tanàna no tojo ahy; dia mikapoka sy mandratra ahy ireo mpiambina manda ireo ary manendaka ny lamba saly teny amiko.
8
«Ry tovovavin’i Jerosalema ô, miangavy mafy anareo aho hoe: Raha mba tojo ny malalako ianareo, dia inona no holazainareo aminy? –Ilazao izy fa mararim-pitia aho!»
9
«Io malalanao io, inona no ananany mihoatra noho ny tovolahy hafa, ry vehivavy tsara tarehy indrindra? Io malalanao io, inona no ananany mihoatra noho ny tovolahy hafa no miangavy mafy anay toy izany ianao?»
10
Sady fotsy mangatsakatsaka no manopy mena ny malalako; ka tena maningana izy ao anatin’ny olona folo arivo.
11
Toa anja-bolamena madio ny lohany; ary ny volony dia mainty milantolanto sady mangilohilo toy ny an’ny goaika.
12
Ny masony dia mahafinaritra tahaka ny voromahailala mitaratra eo amoron-drenirano; ny voamasony toa mandro eo anivon-dronono, sady toa mipetraka anaty vatakely.
13
Ny takolany dia miendrika saham-boninkazo mandraradraraka sy mamokatra ahitra mamerovero. Ny molony dia toy ny lisy mitsonika menaka miora.
14
Ny tanany dia toa haba volamena izay nopetahana vatosoa. Ny tenany dia miendrika takelaka ivoary feno safira.
15
Ny ranjony dia toa andrim-batosoa miorina mafy amin’ny faladia volamena. Ny endriny dia meva fisandratra toy ny tendrombohitr’i Libano, sady fatratra toy ny hazo sedera.
16
Feno hamamiana ny vavany fanoroko ary mahatehotia avokoa ny aminy. Toy izany ilay malalako sady olon-tiako, ry tovovavin’i Jerosalema.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8