bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Amos 2
Amos 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 3 →
1
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nodorany ho sokay ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma;
2
handefasako afo ao Moaba ka handevona ireo lapan’i Kiriota izany; ho faty ao anatin’ny tabataba i Moaba, amin’ny horakoraka sy ny fanenon’ny anjomara;
3
hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy ary hataoko indray mamono izy sy ireo mpanapaka rehetra ao, hoy NY TOMPO.
4
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Joda, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nataony tsinontsinona ny lalànan’NY TOMPO, ary tsy notandremany ny didiny ka nampivily lalana azy ny laingany izay fanaon’ny razany;
5
handefasako afo ao Joda ka handevona ireo lapan’i Jerosalema izany.
6
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’ny Israely, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana, satria namidiny volafotsy ny olona marina, ary namidiny kapan’olona iray ny sahirana;
7
mahafaly azy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny mahantra sady mamily ny lalan’ny madinika izy. Olona mianaka no samy mandry amin’ny tovovavy iray ihany ka manamavo ny anarako masina.
8
Amin’ny lamba azony tamin’ny antoka izy no mitsilailay eny anilan’ny alitara rehetra, sady misotro ny divay azony tamin’ny sazy ao amin’ny tranon’ny andriamaniny.
9
Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny hazo oaka; eny, nosimbako ny voany teny amboniny sy ny fotony tao ambaniny.
10
Nefa Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta sady nitari-dalana anareo efapolo taona tany an-tany efitra mba handovanareo ny tanin’ny Amorita.
11
Nanangana mpaminany tamin’ny zanakalahinareo Aho, ary Nazirita tamin’ny zatovonareo. Tsy izany va no izy, ry Zanak’Israely? hoy NY TOMPO.
12
Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany!
13
Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sarety feno amboara.
14
Koa tsy ho afa-mandositra ny haingam-pandeha ary tsy ho afaka hampiseho ny heriny ny mahery; tsy hahavonjy ny ainy ny mpiady mahery;
15
tsy hahajoro izay mitana tsipìka ary tsy hahavonjy tena ny haingam-pandeha; tsy hahavonjy ny ainy izay mitaingin-tsoavaly
16
ary na dia izay mahery fo indrindra eo amin’ireo mpiady mahery aza dia handositra tsy mitam-piadiana intsony amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9