bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Amos 3
Amos 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 4 →
1
Henoy izao teny izao izay lazain’NY TOMPO ny aminareo, ry Zanak’Israely, dia ny amin’ny taranaka rehetra izay nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!
2
Ianareo ihany no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany; araka izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
3
Ho tafara-dalana va ny olona roa lahy raha tsy efa nifanaiky?
4
Mierona any an’ala va ny liona raha tsy mahita remby? Manerona ao an-davany va ny liona tanora raha tsy nahazo haza?
5
Voan’ny fandrika amin’ny tany va ny vorona raha tsy nisy tadivavarana? Voarirotra hiainga amin’ny tany va ny fandrika raha tsy nahavoa zavatra?
6
Tsofina ao an-tanàna va ny anjomara ka tsy hangovitra ny vahoaka? Misy loza va ao an-tanàna raha tsy NY TOMPO no nahatonga izany?
7
Fa tsy manao na inona na inona tokoa NY TOMPO Andriamanitra raha tsy milaza ny heviny amin’ireo mpaminany mpanompony.
8
Ny liona no mierona ka iza no tsy hatahotra? NY TOMPO Andriamanitra no miteny ka iza no tsy haminany?
9
Ambarao any amin’ireo lapa any Asdoda sy any amin’ireo lapa any amin’ny tany Ejipta hoe: Mivoria any amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianareo ka jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny ao!
10
Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy NY TOMPO; mitahiry fanaovana an-keriny sy hetraketraka ao an-dapany izy.
11
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: E, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ny mandanao ary horobaina ny lapanao.
12
Izao no lazain’NY TOMPO: Toy ny fandrirotry ny mpiandry ondry avy eo am-bavan’ny liona ny tongotr’ondry roa monja na ny sombin-tsofiny, toy izany no ho fandrirotra ny Zanak’Israely izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ny lamba lafo vidy avy any Damaskosy.
13
Henoinareo ka ambarao ny hamelezana ny taranak’i Jakoba! Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao:
14
Amin’ny andro hamaliako ny Israely noho ny fahotany no hamaliako ireo alitara ao Betela; hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin’ny tany ireo.
15
Hamely ny trano fonenana amin’ny ririnina sy ny trano fonenana amin’ny fahavaratra Aho; ho rava ny trano ivoara; trano maro no ho fongana, hoy NY TOMPO.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9