bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Amos 4
Amos 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 5 →
1
Mihainoa izao teny izao, ianareo ombivavin’i Basana, izay eny amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny sahirana ary miteny amin’ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika!
2
NY TOMPO Andriamanitra no efa nianiana tamin’ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro izay hitarihana anareo amin’ny farango sy izay sisa aminareo amin’ny fintana;
3
avy eo amin’ny banga no hivoahanareo samy amin’izay hitsiny avy ary hatsipy any Hermona ianareo, hoy NY TOMPO.
4
Mankanesa any Betela ka manotà! Ary any Gilgala ka manotà fatratra! Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-dra ary isan-kateloana ny fahafolonkarenanareo!
5
Mandoroa fanati-pisaorana miaraka amin’ny mofo misy masirasira! Miantsoa fanatitra an-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
6
Izao kosa no efa nataoko anareo: Nataoko mitsako tsy misy ianareo tany an-tanànanareo rehetra ary nasiako tsy fahampian-kanina tamin’ny fonenanareo rehetra. Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
7
Izaho anefa no nampihantona ny ranonorana tsy ho aminareo raha telo volana sisa tsy ho fararano, koa tamin’ny tanàna iray no nampilatsahako ranonorana ary tamin’ny tanàna iray hafa kosa tsy mba nampilatsahako; ny saha iray dia nilatsahan’ny ranonorana, ary ny saha iray hafa kosa tsy mba nilatsahany dia maina.
8
Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin’ny tanàna iray, kanjo tsy afaka hetaheta izy. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
9
Efa nasiako tamin’ny vary mainan’ny hafanana sy ny maty fotsy ianareo; ny tanimbolinareo maro, ny tanim-boalobokareo, ny aviavinareo ary ny hazo olivanareo, dia nohanin’ny valala. Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
10
Efa nandefasako areti-mandringana tahaka ilay tany Ejipta ianareo; novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; nampiakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan’ny tobinareo. Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
11
Efa nisy tanàna noravako teo aminareo, tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora, koa efa tahaka ny forohana nosarihana tamin’ny afo ianareo. Nefa mbola tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
12
Koa izao no hataoko aminao, ry Israely ô! Satria hahatonga izany aminao Aho dia miomàna hihaona amin’Andriamanitrao, ry Israely ô!
13
Fa indro Ilay mamolavola ny tendrombohitra sy mahary ny rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho haizina ary mandia ny havoana amin’ny tany: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no anarany.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9